Fahasalamana

HJRA: VEHIVAVY ROVITRA TATAVIA 25 RAISINA AN-TANANA

Antananarivo faha 08 May 2023. Famerenana ny Hasina mahaolona! Didiana ao amin’ny hopitaly HJRA ireo vehivavy miisa 25 tratry ny aretina mamany lava. Fitsaboana, fankaherezana ary tantsoroka samihafa no omena azy ireo hiatrehany ny fiainany indray aorian’ny fandidiana.

Manomboka ny 08 – 18 May 2023 ity hetsika faobe fandraisana an-tanana ireo vehivavy rovitra tatavia ity. Ny fikambanana “Opération Fistula” no nitily azy ireo tamin’ny faritra 05 eto Madagasikara. Avy any Bongolava, Vakinankaratra, Fitovinany, Vatovavy ary Analamanga ny fiaviany. Iantohana ny fitaterana, ny fandraisana an-tanana aty Antananarivo ary ny saran’ny fitsaboana. Manodidina ny 600 dolara ny vola lany, izany hoe maherin’ny  2 600 000 Ariary no ilaina ho an’ny marary anakiray. Fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny fanjakan’I Norvezy, ny ordre de Malte, ny opération Fistula ary ny UNFPA no nahafahana manatanteraka ny asa fitsaboana.

Famerenana amin’ny laoniny

“Ilaozan’ny ankohonany, narian’ny fiaraha-monina, na nisintaka ireo vehivavy rovitra tatavia” hoy ny profesora Rantomalala Yoel, avy ao amin’ny HJRA raha nanazava ny momba ity aretina ity. “Tsy zaka ny fofona. Tsy voatazon’ireo tratry ny aretina ny fivalalany.” Misy ireo mbola tanora dia efa voan’ilay aretina, ao koa ireo efa nahazo taona. Ny fahasarotam-piterahana no antony mahatonga ny vehivavy iharan’izy io. Mihetsi-jaza ela loatra ilay reny hany ka rovitra ny tatavia rehefa tsy mahazaka ilay fihetsehana. Manomboka eo ny fikorontanan’ny fiainan’ilay olona. Hany fomba fitsaboana ny fandidiana.

Aretina azo sorohana

Ny fisafoana ara-potoana eny amin’ny toeram-pitsaboana no fomba ahafahana misoroka ny aretina mamany lava. Hita mandritra izany raha tokony handalo fandidiana ilay vehivavy na tsia. Azony atao aorian’ny fisafoana ny manatona toerana ahafahany manao ny fandidiana. Ny manomana ny vola ilaina any amin’ny hopitaly. Afaka mitady fanampiana amin’ireo havany koa izy ireo hitsaboany tena. Antony iray mahatonga azy ity koa ny fitondrana vohoka aloha loatra. Mbola tsy vonona ny toe-batan’ilay vehivavy kanefa efa bevohoka. Ny fisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana no isan’ny fomba iray ialana amin’ny aretina mamany lava ny faharovitan’ny tatavia.

Ny vehivavy any amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Anosy no ahitana tranga betsaka. Misy koa anefa any Sambava, araka ny tatitra voaray. Tombanana ho vehivavy 4000 isan-taona no trata ity aretina ity eto Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page