Mankalaza ny fahadimy taonany ny 90 studios

Antananarivo, faha 30 Aogositra 2024 – Fanamarihana ny ivon’ny fankalazana ny fahadimy taonany.
Orinasa fanaovan-gazety sy fikaroham-baovao ny 90 Studios. Ny 30 Aogositra 2024 no nanamarihana ny fahadimy taona nijoroany. Nosafidiana nanomezan-danja ireo mpandraharaha ela niasana sy niavaka teo amin’ny fomba fiasany io ivon’ny fankalazana io. Notolorana maripahaizana « E – Master en entrepreneuriat et management » ireo mpandraharaha ka ny ministeran’ny asa tanana no niara-nisalahy tamin’ny 90 Studios tamin’ny fisafidianana ireo mendrika ny maripahaizana. Voalazan’ny tale mpanorina ny 90 Studios, Ratolojanahary Hajatiana Mickael, fa an-jatony ireo naniry hisitraka ilay diplaoma saingy nanodidina ny 10 ihany no nahazo izany. Mitondra fanazavana Ratolojanahary Hajatiana Mickael, tale ny orinasa.
“Matianina eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpandraharaha ny tenako” hoy Mickael. “Fony mpamokatra fandaharana tao amina onjampeo tsy miankina aho no efa nifanerasera tamin’izy ireo. Fandaharana mikasika ny fambolena sy ny fampandrosoana no novokarina tamin’izany. Notohizana tany amin’ny fahitalavitra ny fifandraisana tamin’ny famolavolana fandaharana mikasika ny toe-karena. Taty aoriana, tapakevitra ny nanangana orinasa satria lasa nanana tambazotra noho ny fisian’ireo mpandraharaha maro niarahana niasa. Tanjona ny fampandrosoana ny firenena. Nanangana ivontoerana famolavolana orinasa na “centre d’incubation” ny 90 Studios hanampiana ireo mpandraharaha, amin’ny fitadiavana lalam-barotra” hoy ny fijoroana vavolombelon’I Mickael.
Zava-dehibe ho anay ny fanomezan-danja ny mpandraharaha hoy Lovanirina Rabemanantsoa tompon’ny orinasa Kinana Plus. Maro ny sedra nolalovana hatramin’ny fananganana ny orinasa. Isaoranay ny 90 Studios sy ireo tompon’andraikitry ara-panjakana manolotra ny diplaoma ho anay, hoy izy nanamafy.
Amin’ny volana Novambra 2024 ny fanakatonana ny fankalazana ny fahadimy taonan’ny 90 Studios.



