Fahasalamana

Ireo fanamby mikasika ny fanadiovana aty afrika, mila fahavonona politika

Lavitrezaka! Izay ny azo hamaritana ny zava-misy saika manerana an’I Afrika mikasika ny olan’ny fanadiovana na assainissement. Voakasika I Madagasikara. Maherin’ny 40 % ny mponina eto Madagasikara no manao maloto ankalamanjana raha toa ka 20 % sisa any afrika atsimon’I Sahara sy afrika atsinanana. Mbola tsy manana rafitra fandevonana ny loto na ilay antsoina hoe Gestion des boues de vidange isika raha ny tatitra navoakan’ny mpikaroka. adiovana ny loto fomba fitantanana ny loto. Ho an’ny faritra afrika atsimon’I Sahara kosa, fantatra fa ny 32% ny mponina no manao maloto ankalamanjana. Ny 28 % n’ny mponina ihany no manana fahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa fanadiovana tena ilaina, toy ny trano fidiovana, rano madio, toerana fitehirizana ny fako.

Olana saika manerana ny faritra maro erantany ny fanadiovana. Misy ireo fikambanana tsy miankina miasa mba hanovana ny toe-java-misy ka iray amin’ireny ny Speak Up Africa. Firenena 06 ao afrika andrefana no iantefan’ny tetikasany toa an’I Sénégal, Bénin, Niger, Côte d’Ivoire, Mali ary Burkinafasso. Ezaka atao ny fametrahana rafitra hanatsarana ny fotodrafitrasa fanadiovana, fanohanana ny fitondram-panjakana any an-toerana hanatratra ny vina voafaritry ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy na ODD.

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety mikambana ao anatin’ny tambazotra REMAPSEN ny tompon’andraikitry ny Speak Up Afrika Roxane Fian, ny 06 Septambra 2023. Nambarany fa miantoka ny fahasalaman’ny mponina ny fananana fotodrafitrasa fanadiovana manaraka ny fenitra. Aretim-pivalanana maro no ho voasoroka. Nambarany koa fa isan’ny nampirongatra ny valanaretina Covid 19 ny tsy fahalavorarian’ny fanadiovana. Tsy vitsy ireo rano maloto, anaty tatatra tsy misarona no miparitaka kanefa maro ny olona mifanerasera, hoy hatrany ny fanazavany.

Fikambanana miorina ao Dakar, Sénégal ny Speak Up Afrika. Fivondronan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana aty afrika kosa ny REMAPSEN. Mpanao gazety Malagasy am-polony no mikambana ao aminy. Voasolo-tena avokoa ny karazan-gazety rehetra toy ny an-tsoratra, haino aman-jery ary ny aterineto.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page