Sosialy

19 Aogositra, andro natokana hanampiana ny mpiara-belona

Tamin’ny 19 aogositra 2003 no nisy nanafika ny Biraon’ny Firenena Mikambana tao Bagdad, Irak. 22 no isan’ny olona namoy ny ainy tamin’izany. Dimy taona taty aoriana (2008) dia nofidin’ny Firenena Mikambana io andro io  ho Andro iraisam-pirenena ho fanampiana ny mpiara-belona

NY TANJONA

Ny fankalazana isan-taona dia entina hanangonana  ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hanatsara ny fiainan’ny mpiara-belona, ary ny maha-olona ireo mponina tratry ny krizy ary koa ho fiahiana ireo mpiantsehatra manampy ny mpiara-belona.

IREO ENDRIKIN’NY FANAMPIANA

N’inon’inona loza miseho, na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, dia misy foana ny olona mijoro hanampy. Miantomboka amin’ny olona hiaran’ny loza – ireo no mihetsika voalohany aloha – ka hatramin’ny firenena maneran-tany izay manampy amin’ny fanarenana ary mivondrona hanamaivana ny fijaliana sy hitondra fanantenana.

Amin’ny fisehoan’ny loza voajanahary (tondra-drano, horohoron-tany, tsunami, rivo-doza, tafiotra mahery, ….) na koa misy ady, adim-poko, …. Dia toy izao ny endrikin’ny fanampian’ny mpiara-miombon’antoka na ny firenena samihafa, na ireo vondrona iraisam-pirenena, …..

  • Olona an-jatony tsara sitrapo, vonona ny hanolo-tanana
  • Olona manana traikefa hifanampy
  • Fizarana fanafody, fitaovana isan-karazany (medikaly, fialofana, …), fanangonana rano ary karazana fanampiana maro tsy hita noanoa.
  • Raha sendra misy indray ny ady, adim-poko, dia efa vonona ireo miaramila mpampandry tany avy amin’ny Firenena Mikambana, tonga hanampy ireo olona mpifindra monina amin’ny fiarovana azy sy ny fandraisana an-tanana azy ireo mandra-pahatongany any amin’ny firenena mandray azy.
  • Mampanjaka ny fandriampahalemana koa ireo miaramila mpampandry tany ireo
  • Any amin’ny firenena misy hain-tany na tsy fahampian-tsakafo izay mahatonga ny ankizy tsy ho ampy sakafo (toy an’I Ethiopie, Madagasikara), dia manampy ny firenena maro hiadiana amin’izany.

IREO MPIANTSEHATRA

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana  (Volontaire des Nations Unies) no tena mandray anjara betsaka amin’ny fanampiana ny mpiara-belona tra-doza.

Soritana amin’izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa any Afghanistan, Algérie, Palestine, Haïti, Irak, Pakistan, Philippines, Congo demokratika, Somalie, Soudan. Karazany maro ny asa hiantsorohan’izy ireo toy ny miaro ny mponina, manampy  ireo mponina mandositra ny ady, mifindra fonenana vokatry ny ady. Ny tanjona dia ny hampihenana ny fijaliana izay mihatra amin’izy ireny ary hiarovana ny maha-olona azy.

Ankoatr’izay dia manampy ireo mpifindra monina izy amin’ny fanaovana ny fanisana (inscription, recensement), fanomezana toro-hevitra mikasika ny zony amin’ny maha-olona feno, fampahafantarana ny lalàna miaro azy,  ny ady amin’ny herisetra sy ny fanambadiana aloha loatra, ny fanondranana olona sy ny tsy fampiharana ny zon’ny olombelona.

Manampy ireo mponina mifindra monina koa izy ireo amin’ny fanamoràna ny fahazoana ny taratasy rehetra ilaina hahafahan’izy ireo mody any amin’ny tany niaviany. Ao koa ny fanampiana hiverenany ny fiainana ho toy ny teo aloha, fampianarana ny ankizy, fandaminana ny trano hipetrahana, fanomezana sakafo.

 NY ANTONTAN’ISA

  1. Tamin’ny taona 2021, mpiasa 460  no niaran-doza : 140 namoy ny ainy, 203 naratra, 117 natao takalon’aina.
  2. 98 % tamin’ireo dia olona avy tao amin’ny firenena ihany, fa 2 % mpiasa avy amin’ny firenen-kafa.
  3. Tany Soudan sy Afghanistan ary Syrie no nisehoan’ny herisetra betsaka indrindra ary mbola mety hiakatra ny antontan’isa ny taona 2022 noho ny fisian’ny  ady any Ukraine amin’ny fananjerana baomba amin’ny olon-tsotra sy ireo mpiara-miombon’antoka.
  4. Tamin’ny taona 2021 dia 67% ny mponina ao Yémen no niandry fanampiana. Izany dia mampiseho fa ao amin’io firenena io no tena miantraika mafy ny krizy miantraika amin’ny olombelona.

FEHINY

Ny fifanoloran-tanan’ny mponina isan-tsokajy sy ny firenena samihafa dia hahitana ny fahavononana hanampy ireo izay hiaran’ny fijaliana sy fasahiranana mianjady vokatry ny loza voajanahary na koa tratry ny loza hafa toy ny ady an-trano sy ny sisa.

Misy lanjany lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ireo mponina hitondrana fanampiana izany fanehoam-pitiavana izany ka manome hery azy ireo sy mampahatanjaka ny sainy hiatrika ny krizy.

Ratsimba Gisèle

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page