Tontolo iainana

TONTOLO IAINANA: 13 % N’NY VELARANTANY ETO MADAGASIKARA SISA NO MISY ALA

Saika ripaka ny faritra ala manerana ny nosy araka ny antontanisa nivoaka ny taona 2021 lasa teo. Ny faritra arovana sisa no hany ahitana ala. Ny fanazavana avy tamin’i Rabotovao Mamisoa Hervé, talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Matsiatra Ambony no nahafantarana fa ezaka atao iatrehana ny fahapotehan’ny ala ny fanentanana sy fanofanana ny olona eny ifotony hikajy ireo ala sisa nanamborana. Ezaka atao ny fampitomboana ny velarantany rakotr’ala hoy hatrany ny fanazavana.
Mamelona aina marobe ny ala ka isan’ireny ny olombelona. Ny ala no misintona ny entona karbona, mampihodina ny tsingerin’ny rano, miaro ny nofontany ary manome akora ampiasain’ny olombelona amin’ny fanorenana fotodrafitrasa maro.

Sary fanehoana : WWF

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page