Croix rouge: Hovelarina amin’ny fampandrosoana ny asa eto Madagasikara

Antananarivo 14 Jona 2023 – Hitarina ny fiaraha-miasa eo amin’ny croix rouge Malagasy sy ny fitondram-panjakana.
Ho voakasika fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena sy fiompiana, ary ny fahasalamana. Nisongadina ireo fiovana ireo nandritra ny fihaonan’ny Praiministra Ntsay Christian sy Mohammed Omer Mukhier izay nitarika ny delegasiona avy amin’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny « Croix-Rouge » sy « Croissant Rouge ». Tao amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo no natao ny fihaonana ny 14 Jona 2023. Voaresaka tamin’izany fa hampifanarahana amin’ny drafitra fampandrosoana eto amintsika ny asa ataon’ny croix rouge. Marihana fa firenena 04 no mivondrona ao amin’ity federasiona IFCR ity dia I Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores.



