Manohana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ny amerikanina

« Ambany dia ambany ny taha-pahaizan’ny ankizy Malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra, » hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell.
Niverina nanohana ny fampianarana ny Amerikanina 15 taona taorian’ny nampiatoany izany noho ny krizy politika teto Madagasikara tamin’ny taona 2009. Tetikasa vaovao, antsoina hoe “Lova”, izay haharitra dimy taona ary mitentina10 tapitrisa dolara, no hotarihin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny USAID mba hanatsarana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, manisa ary mitondra tena eo anivon’ny fiarahamonina ho an’ny mpianatra miisa 65.000 any amin’ny sekoly ambaratonga fototra miisa 500, mba hampivoarana mpampianatra miisa1.500 ihany koa ho matihanina, ary mba hanatsarana ny vokatry ny fianarana any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana.
Ny 24 Janoary – Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana – no nanambaran’I Etazonia io fiverenany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara io. « Manantena izahay fa ity tetikasa ity dia ho dingana voalohany hanatsarana ny fanabeazana ho an’ny mpianatra an-tapitrisany manerana ny firenena. » Hoy ny tale jeneraly ny USAID nandritra ny fampahafantarana ofisialy.
Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, 96 isan-jaton’ny mpianatra Malagasy eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 10 taona no tsy afaka mamaky andininy tsotra na efa namarana fianarana ambaratonga fototra aza. Fanampin’izany, latsaky ny 4 isan-jaton’ny mpampianatra ambaratonga fototra ihany no manana ny fahalalana fototra momba ny fampianarana ankizy sy momba ny taranja ampianariny, ary tsy misitraka fanohanana avy amin’ny fanjakana. Mitombo havesarana koa ireo olana ireo noho ny vokatry ny fahantrana maharitra, ny fiovaovan’ny toetrandro ary ny tsifanjariantsakafo.
Ny tetikasa Lova dia mifanaraka amin’ny paikady nasionaly momba ny fanabeazana ary hiorina amin’ny fandaharanasan’ny USAID teo aloha mahakasika ny fampandrosoana ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Ny tetikasa dia hanome fanofanana mpampianatra sy fitaovam-pianarana ary kilasy fanarenana mifantoka amin’ny famakiana teny sy kajy fototra, sy mifototra amin’ny fomba fampianarana izay efa voaporofo sy voamarina ny fahombiazany.
Ny FHI 360 sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no hanantanteraka ny tetikasa Lova any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy, izay isan’ny ambany indrindra eto amin’ny firenena ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra misitraka fanabeazana ara-kalitao sy manara-penitra. Ireo faritra ireo ihany koa dia manana vondrom-piarahamonina anisan’ny marefo indrindra amin’ny resaka loza mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Manamora ny fanatanterahana ny tetikasa ihany koa ny fisian’ireo fandaharanasa hafa eny an-toerana izay efa vatsian’i Etazonia vola.
Avy amin’ny oham-pitenenana malagasy manao hoe: “Ny fianarana no lova tsara indrindra », no niavian’ny anaran’ny tetikasa Lova.



