Sosialy

Tetikasa vaovao momba ny fanjariantsakafo sy fanatsarana ny tsenan’ny tantsaha

Antananarivo, faha 24 Janoary 2024 – Manohana tetikasa vaovao mampiroborobo ireo karazam-boly mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro i Etazonia

Fambolena voanjo, ampemba ary barijy na “millet” no nodinihan’ireo manampahaizana momba ny fambolena sy ireo mpiara-miombon’antoka ary tompon’andraikitra. Fihaonana nokarakarain’I Etazonia tamin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana ho an’ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany ny ny tetikasa momba ny fambolena mitondra ny anarana hoe APEMBA. Tetikasa iarahan’ny USAID amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA). Tanjona ny hampiroborobo ny famokarana sy fanodinana voanjo, ny ampemba, ary ny bajiry mba hanatsarana ny toetry ny tany, hampitomboana ny voka-pamokarana, hanomezana sakafo ny olona ary hiarovana ny tontolo iainana.

« Ity tetikasa vaovao ity dia hanampy amin’ny fanitarana sy fanamafisana ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro eto Madagasikara, » hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell, nandritra ny atrikasa. “Mampanantena ny hampitombo ny fisian’ny sakafo mahavelona ho an’ny vondrom-piarahamonina io tetikasa io ary hampitombo bebe kokoa ny vola any am-paosin’ny tantsaha.

Hisy vondron’ny manam-pahaizana avy any Etazonia, Ogandà ary Sénégal, hitsidika eny ifotony ireo fikambanan’ny mpamboly madinika, sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina mandray anjara amin’ny rojom-piharian’ny famokarana voanjo, apemba sy bajiry. Haharitra ny tapa-bolana ny fitsidihana ataony.

Vola mitentina 39 tapitrisa dolara no natolotry ny USAID mba hamahana ny ny tsifanjariantsakafo sy hanatsarana ny fomba fambolena sy fivelomana hatramin’ny taona 2022.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page