Fanodinana ny fako ho lasa angovo, mbola malalaka ny tsena hoy ny AIDES Développement

Antananarivo, faha 15 Novambra 2024 – Nifandinika ireo mpisehatra amin’ny fanodinana ny fako ho lasa angovo.
Vitsy ny orinasa misehatra amin’ny fanodinana ny fako ho angovo. Ny fanadihadiana nataon’ny AIDES Développement, tamin’ny alalan’ny tetikasa TWENex no nahalalana fa ny 88% n’ny mpisehatra nohadihadiana no manamboatra arina miaro tontolo iainana na “charbon écologique” sy “biogaz”. Orinasa madinika sy tsy miankina ny ankamaroany, hoy Rakotoarivony Sitraka, tompon’andraikitry ny tetikasa. Mpisehatra miisa 80 avy amin’ny faritra 07 no nanaovana ny fanadihadiana hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024. Hampihena ny fandripahana ala noho ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay ny fampiasan’ny tokantrano Malagasy arina ekolojika sy ny fanodinana ny fako, hoy hatrany ny fanazavana. Nikarakara atrikasa nampivondronana ireo mpisehatra mivantana na tsia amin’io sehatrasa io ny AIDES Développement ny Zoma faha 15 Novambra 2024, fihaonana notanterahana teto Antananarivo. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana sy fifankafantaran’ny mpisehatra rehetra. « Matchmaking Event National » ny anaran’ny atrikasa ho fampiroboroboana sy fanomezan-danja ny fanodinana ny fako ho angovo.
Mitondra fanazavana Rakotoarivony Sitraka, tompon’andraikitry ny tetikasa TWENex.
Rakotoarivony Sitraka, tompon’andraikitry ny tetikasa TWENex
Nahatonga solotena ny Ministeran’ ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) ary ny Ministeran’ny rano sy fidiovana ary fanadiovana (MEAH).



