Manampy tosika ny toekarena ny fandrindrana fianam-pianakaviana

Alakamisy, faha 26 Septambra 2024 – Mankalaza ny tsingerin-taona faha 17 n’ny andro erantany ho an’ny fandrindram-piterahana izao tontolo izao. “Safidy ho an’ny olon-drehetra ny fahalalahana mandrindra, fahefana misafidy”, izay ny lohahevitry ny fankalazana.
Tapaka nandritra ny fivoriana nandraisan’ireo solotenan’ny governemanta miisa 179 tany Le Caire, Ejipta, ny taona 1994 fa hampitomboina ny ezaka hampajakana ny zon’ny vehivavy sy ny fahasalamany ara-pahasalamana. Teraka nandritra io fihaonana iraisam-pirenena momba ny mponina sy ny fampandrosoana (CIPD) io ireo fandaharanasa manampy ny fisitrahan’ny vehivavy tolotra ara-pahasalamana sy fitsaboana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana, ny fandrindram-piterahana an-tsitrapo, ny fitondrana vohoka voaaro sy ny fiterahana.
Telopolo taona aty aoriana, nizara ireo ezaka vita sy ireo fanamby miandry an’I Afrika ny Dr Sennen Hounton, Talem-paritry ny Tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nandritra ny fivoriana nampitain-davitra niarahany tamin’ny mpanao gazety mikambana ao amin’ny tambazotra ny haino vaky jery afrikanina misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN. Voaresaka manokana ny zava-misy any Afrika Andrefana sy Afovoany.
Nambaran’ny Dr Senne Hounton fa manampy ny UNFPA ny mpanao gazety amin’ny fanatratrarana ireo vokatra telo mitondra fiovana. Voalohany amin’izany ny fanafoanana ny fahafatesan’ny reny noho ny fiterahana, ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ary fahatelo ny fanomezana ny vehivavy ireo tolotra sy ny fanafody rehetra ilainy mikasika ny fandrindram-piterahana. Ezaka ho tratrarina hatramin’ny taona 2030.
Ireo ezaka vita sy ny fanamby manoloana an’i Afrika
Mro ireo ezaka vita nanerana ireo firenana maro aty Afrika mikasika ny fandrindram-piterahana. Ny tatitra no nahafantarana fa niakatra ny tahan’ny fampiasana ireo fomba fanabeazana aizana. Niakatra ho 18% ny taha raha 13% tamin’ny taona 2015. Nidina ihany koa ny tahan’ny tsy fahazoan’ny vehivavy ireo tolotra sy fanafody mikasika ny fandrindram-piterahana. Maro, hoy ny Dr Sennen H. ireo firenena nanaja ny teny nomeny tamin’ny alalan’ny fanokanana tetibola ho an’ny fandrindram-piterahana raha toa ka niankina tamin’ireo mpamatsy vola sy niantehatra tamin’ny fanampiana izy ireo teo aloha. Nisy ireo governemanta nametraka politika nahafahan’ny vehivavy nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana mikasika ny fandrindram-piterahana.
Na izany aza, olana maro no misakana ny vehivavy sy ny zatovovavy afrikanina tsy hisitraka ny zony handrindra ny fiainany ara-pananahana. Santionany ireo krizy samihafa hita aty Afrika. Vahoaka maherin’ny telopolo tapitrisa no voatery mifindra moninatsy fidiny. Mila fiarovana sy fiahiana izy ireny. Tany maro koa etsy an-daniny no hianjadian’ny vokatry ny fahantrana. Betsaka ireo governemanta tsy manana fahefa-mividy fanafody sady tsy afaka manome tolotra momba ny fandrindram-piterahana. Manampy trotraka izany ny hamaroan’ny zaza teraka manerana ny faritra Afrika Andrefana sy Afovoany. Voalaza fa io faritra io no manana taha ambony indrindra amin’ny isan’ny zaza teraka, izay mahatratra 4,8 raha ampitahaina amin’ny taha amin’ny ankapobeny manodidina ny 2,3. Volatr’izany, misakana ireo governemanta tsy hahatanteraka ny teny nomeny mikasika ny ezaka ho an’ny fandridram-piterahana ireo krizy maro sosona ireo, hoy ny Dr Sennen H. Maro ny ezaka vita hoy ity talem-paritry ny UNFPA ity, fa mbola betsaka koa ny fanamby mila ihoarana.
Manampy tosika ny ara-toekarena ny fandrindram-piterahana
Tsy ny zon’ny vehovavy ihany no voasahana ao anatin’ny fandrindram-piterahana. Mahakasika ny lafiny toekarena, fiarovana ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fahasalamana izany. Manampy vehivavy manodidina ny 20 tapitrisa ankehitriny ny UNFPA amin’io faliny fandrindram-piterahana io. Mitombo isan-taona anefa io isa io satria mitombo koa ny zaza teraka. Misy akony eo amin’ny ara-toekarena io fitombonan’ny isan’ny mponina io. Viakasika koa ny tontolo iainana. Mitombo ny filan’ny olombelona ka tsy maharaka ny vokatra omen’ny natiora. Mitarika fahapotehana ara-tontolo iainana izany. Tsikaritra ankehitriny fa miha-tsy maharaka ny filan’ny mponina ny rano sy ireo akora fototra ilaina amin’ny fivelomana. Tsy resahana intsony ny filana sekoly maro kokoa noho ny tamin’ny lasa. Eo koa ny tokony hananganana fotodrafitrasa ara-pahasalamana maro. Mitaky vola, mila olona maro ary angovo betsaka ny fananganana ireo. Fomba iray hifehezana ny fitombon’ny isan’ny mponina ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana. Voafehy ny isan’ny zaza ateraka sy ny elanelam-potoana hiterahana ny zaza. Manampy ny isan-tokantrano izany ary hisy akony eo amin’ny lafiny toekaren’ny firenena manontolo.
Vonona Rakotodratsimba



