FahasalamanaSosialy

Fahasalamana : Manampy ny vahoaka any amin’ireo toerana lavitra ny clinique mobile

Antananarivo, faha 14 Marsa 2025 – Nodinihana ny fomba hitadiavana famatsiam-bola maharitra ho an’ireo clinique mobile.

« Clinique mobile » maherin’ny 20 no miasa manerana ny toerana maro eto Madagasikara. Tolotra ara-pahasalamana samihafa no omeny ny mponina, toy ny fanaovam-baksiny mahazatra, ny fandrindram-piterahana ary ny fahasalaman’ny vehivavy. Tafiditra koa ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Ampiasaina mandritra ny fotoan-tsarotra toy ny fandalovan’ny andro ratsy sy mandritra ny « caravanes médicales » ireo toeram-pitsaboana mitety tanàna ireo.

Nambaran’i Dr Miary Toky Rajoelina, Directeur de la Santé Familiale eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN) ny tanjon’ny atrikasa. Naseho tamin’izany ny antota-taratasy vokatry ny asa -karoka momba ny famatsiam-bola ka ny « cabinet KOIS » no nanao ny fikarohana. Ankoatra izay, nojerena ny fomba ahitana famatsiam-bola maharitra ho an’ireo « clinique mobile » ireo. Nanambara ramatoa YASMINE Lethicia Lydia, Secrétaire Général eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN) fa tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fampiasana ireo « clinique mobile » ka ny taona 2022 no natomboka ny fampiasana azy.

Efa misy firenena afrikanina naka traikefa tamin’i Madagasikara amin’ny fampiasana ireo « clinique mobile » hoy ny solotena lefitry ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina eto Madagasikara (UNFPA) Ngoy Kishimba. Isan’ireny i Comores, Ethiopie ary ny nosy Maurice. Nandefa solotena teto Madagasikara ireo firenena ireo nijery sy nanadihady ny fomba nitantanana ireo toeram-pitsaboana mifindrafindra toerana.

Nandray anjara tao amin’ny atrikasa tetsy Anosy Antananarivo ny solotenan’ny masoivohon’i Alemaina sy ny tompon’andraikitra samihafa teo anivon’ny ministera voakasika. Nanazava ny vokatry ny asa karoka nataony kosa ny « cabinet KOIS ». Ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN) sy ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) no nikarakara ny fihaonana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page