Tsy fandriampahalemana: miandry ny rariny ny fianakavian’ny niharam-boina

Andranomiely Ankazobe, faha 10 Janoary 2024 – Mihorohoro ny mponina, vita ny fandevenana ny ben’ny tanàna.
Niombona alahelo tamin’ny fianakaviana ny mponin’I Andranomiely ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna no nitondra ny teny fankaherezana. Niantso firaisan-kina teo amin’ny vahoaka koa ny tenany.

Raha tsiahivina, fanafihana mitam-piadiana, vono olona iniana atao, izay raha fintinina ny zava-niseho tao amin’ny tanànan’Andranomiely Atsimo, ao Ankazobe ny 07 Janoary lasa teo. Maty vokatry ny tifitra sy ny fira antsy ny ben’ny tanàna Rambola Roger. Dahalo ampolony, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy manao akanjo miaramila no nanafika raha ny fitantaran’ny fianakaviana. Voalaza fa tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina no tonga ireo dahalo. Avy hatrany dia nodidin’ireo jiolahy ny trano nisy mpitandro filaminana, noterena ny sivily iray hanoro izay toerana misy zandary. Taorian’izay, notafihana ny toby sy ny tranon’ny ben’ny tanàna. Tsy niantra ireo olon-dratsy na nitalaho famindram-po aza ny vadin’ny ben’ny tanàna. Indroa nirefotra ny basy, narahana vono tamin’ny antsy, hoy ny fitantarana.
FIHANTSIANA
Vao avy nanao fanentanana ny tanora hiatrehana ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana tamin’io Alahady io. Nanomboka tamin’ny 11 ny fiofanana ary nifarana tamin’ny 04 ora folakandro. Tsy niandry ela fa tamin’ny 10 ora sy sasany no tonga ny dahalo. Taorian’ny fanafihana, niroso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Nifanehatra ny roa tonta tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany maraina. Malaso mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanoloana ny vahoaka sy mpitandro filaminana vitsivitsy. Tsy nitovy ny hery hany ka niverin-dalana ireo mpanara-dia.
MIANTSO FANDRAISAN’ANDRAIKITRA NY MPONINA
Valaketraka! Izay ny teny mahalaza ny zava-manjo ny mponina ao Andranomiely Ankazobe. Tsy sahy mandeha irery fa tsy maintsy miaraka rehefa misy dia haleha. Mangataka amin’ny fahefana mahefa ny hijerena akaiky sy handraisana ny andraikitra hisorohana ny voina tahaka izao. Mavesatra ny loza nitranga hoy ny fitantaran’ny fianakaviana. Marihana fa hatramin’ny Alatsinainy 09 Janoary no efa nifarimbona tamin’ny fianakavian’ny mana-manjo ny fokonolona. Tazana tao an-toerana koa ny mpitandro filaminana, toy ny zandary sy miaramila.


