Fankalazana ny faha-30 taonan’ny minisitera miadidy ny vehivavy adventista
Hafatra telo no nanamarika ny fotoana tao Soamanandrariny

Soamanandrariny faha, 22 Novambra 2025 – Ny Sabata 22 Novambra 2025 no nankalazan’ny fiangonana Adventista maneran-tany ny faha-30 taona nijoroan’ny Minisitera miadidy ny Vehivavy na MIFEM. Tao amin’ny Fiangonana Soamanandrariny dia notanterahina tamim-pomba manetriketrika sy feno fanomezam-boninahitra izany, ka nisongadina ireo hafatra nentin’ny MIFEM tamin’ity taona faha-30 ity.
Nanolotra endrika manokana ny andro ny fanamiana niraisan’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny sampana, izay maneho firaisankina sy fahafoizan-tena amin’ny asa fitoriana sy fanompoana. Ramatoa RANDRIAMANANTENA Elisah Hantasoa Malalaharivelo no nitondra ny hafatra, izay nanasongadina hafatra telo lehibe hoenti-manamafy ny toeran’ny vehivavy ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny asa fitoriana.
- “MINISTERA NO IORENAN’NY MIFEM, FA TSY FIKAMBANANA TSOTRA.”
Nialohan’ny toriteny iraisan’ny fiangonana rehetra teto Madagasikara sy ny nosy manodidina dia nanokana fotoana fanomezam-boninahitra ho an’ireo filoha sy tompon’andraikitra nifandimby efa nitantana ny sampan’asa MIFEM tao amin’ny fivondroanamben’ny fiangonana Advantista ato amin’ny ranomasimbe Indiana Ramatoa RANDRIAMANANTENA Hanta. Taorian’izay dia notsindriana fa tsy fikambanana fivorivoriana tsotra ny MIFEM, fa ministera natsangan’Andriamanitra, manana iraka mazava sy andraikitra masina, dia ny mampandroso ny vehivavy amin’ny asa fitoriana sy ny fanompoam-piangonana. Nohamafisina fa ny antso dia avy amin’Andriamanitra, ary ny fanatontosana izany iraka izany no tena antom-pisian’ny sampana.
- “MISY VAHAOLANA FOANA RAHA MANAM-PINOANA, MITOETRA EO AN-TONGOTR’I JESOSY NY VEHIVAVY, ARY MANDEHA MAMITA NY IRAKA”
Tao anatin’ny toriteny mitondra ny lohateny hoe “ANDEHA HAMITA NY IRAKA” dia nanasa ny mpino Ramatoa Mpitoriteny mba hijery ny olana misy amin’ny fomba vaovao: amin’ny alalan’ny finoana sy vavaka, ny fitoerana mihaino an’i Jesosy, ary ny fandehanana mamita ny iraka.
Nohamafisiny fa na dia misy aza ny fahasahiranana samihafa atrehan’ny vehivavy — amin’ny tokantrano, eo amin’ny asa, na eny amin’ny fiaraha-monina — dia Jesosy irery ihany no loharanon’ny vahaolana.
Nampitodika ny saina tamin’ny tantaran’i Marta sy Maria izy, nanentana ny vehivavy mba tsy hanome tsiny an’Andriamanitra rehefa tojo zava-tsarotra, fa hanana fotoana manokana hitoerana eo an-tongotr’i Jesosy, izay loharanon-kery sy fitsaharana.
“Ataovy lohalaharana ny mitoetra eo an-tongotr’i Jesosy fa raha mahafinaritra antsika ny mitoetra eo dia hahataona ny olona hafa ho tonga hitoetra eo koa isika. Tsy isika no manasitrana fa Jesosy. Ny adidintsika dia ny mitondra ny olona ho eo Aminy,” hoy ny hafatra.
- “TSY TOKONY HATAO TSIRAMBINA NY ASA VITAN’NY VEHIVAVY AO AM-PIANGONANA.”
Ankoatry ny hafatra tao am-piangonana dia mbola nanana hambara manokana hatrany Ramatoa RANDRIAMANANTENA araka izao manaraka izao: notsiahiviny fa maro an’isa ny vehivavy ao am-piangonana, ka tsy azo atao ambanin-javatra ny anjara biriky vitany.
Nantsoiny koa ireo vehivavy rehetra mba hirotsaka amim-pahavononana amin’ny famitana ny asa fitoriana, ary hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ananany ho amin’ny fanatontosana ny iraka amin’ny andro farany.
Ho an’ny fiangonana Soamanandrariny dia mbola mitohy ny asa sy ny iraka. Ary araka ny hafatra nentin’ny MIFEM tamin’ity faha-30 taona ity dia miantso ny vehivavy rehetra i Kristy mba hijoro sy hamita ny iraka nanendrena azy.
TOVO OLIVIER



