Sosialy

The Investigator’s Lab : Hizarana traikefa ho an’ny mpianatra sy mpanao gazety

Horonantsary CSB Valamaty : Maneho taratra ny olana momba ny fahasalamana

Antananarivo 28 novambra 2025 – Tontosa teny amin’ny IKM Antsahavola ny hetsika « The Investigator’s Lab » nokarakarain’ny ONG Malina, tambazotran’ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina eto Madagasikara. Nanamarika izany ny fampahafantarana horonantsary vokatry ny fanadihadian’ny mpanao gazety, sy fitondrana ny anjara biriky ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Navoaka voalohany anaty efitrano ho an’ny daholobe ny horonantsary fanadihadiana « CSB Valamaty ». Notontosain’ny mpanao gazetin’i Malina momba ny olan’ny fahasalamam-bahoaka noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa any ambanivohitra. Efa ho 6 taona no niandrasan’ny mponina any Amboangivy, Fokontany Mananetivohitra, Kaominina ambanivohitra Miandrarivo any amin’ny Distrikan’i Faratsiho, ny fahavitan’ny CSB Manarapenitra, fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018. Novatsiana tamin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana ny asa saingy nijanona teo amin’ny fototra ny fanamboarana azy. Vokany, voatery mandeha an-tongotra adim-pamataranandro maro ny marary sy mpiteraka vao mahita hôpitaly. Lasibatra manokana ny reny mitondra vohoka sy hiteraka izay matetika maty eny an-dalana noho ny fahasarotana. Nitondra fanampim-panazavana momba ny fanadihadiana ireo mpanao gazety nanatontosa ny fanadihadiana ary nizara ny fomba niainan’izy ireo izany.

Zara sy takalo ho an’ny mpanao gazety

Anisan’ny tanjon’ny tambazotra Malina ny hitondra anjara biriky ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mifandraika amin’izany ity atrikasa fizarana fahalalana sy takalo traikefa ho an’ny mpanao gazety sy ny mpianatra ho mpanao gazety natao tetsy Antsahavola ity.  Fotoana izay nizaran’i Fah Andriamanarivo, tonian-dahatsoratry ny Malina ny traikefa azo nandritra ireo fikaonan-doha iraisam-pirenena anakiroa natrehan’izy ireo tao anatin’ny volana novambra 2025, dia ny African Investigative Journalism Conference na AIJIC notontosaina tao Johannesburg, Afrika atsimo, ny 04 ka hatramin’ny 08 novambra 2025, sy ny Global Investigative Journalism Conference, tany Kuala Lumpur, Malaisie ny 20 ka hatramin’ny 24 novambra 2025.

Anisan’ireo mpanao gazety afrikana nahazo fanohanana na vatsim-piofanana avy amin’ny Global Investigative Journalism Network na GIJN ny mpanao gazetin’i MALINA, Fah Andriamanarivo. Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasan’ny GIJN ary takiana ny fizarana ny traikefa sy ny fahalalana azo nandritra ny fikaonan-doha iraisam-pirenena, toy ny tany Kuala Lumpur.

Nifantoka tamin’ny fahafahana mampiasa ireo teknikam-pikarohana sy fitaovam-pikarohana mifandraika amin’ny teknolojia maoderina, amin’ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana ny fizarana natao ho an’ireo mpanao gazety sy mpianatra ho mpanao gazety. Niainga tamin’ny fandravonana ireo fizarana nataon’ny mpanao gazety sy manampahaizana iraisam-pirenena nandritra ny GIJC 2025 no nandrafetana ny vontoatin’ny fifampizarana ary nezahana nampifandraisina amin’ny zava-misy sy ny hodidina eto Madagasikara.

Taorian’ny fizarana natao teto Antananarivo, dia mbola hisy ny fizaràna izay hatao any anivon’ny Faritra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page