Mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy Madagasikara ny hetsika “One Country, One Day”

Manamarika ny fanombohan’ny paikadim-pirenena AGOA eto Madagasikara ireo governemanta roa tonta sy ny sehatra tsy miankina
Ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola tsara kalitao dia mety hitarika amin’ny famoronana asa maro sy tsara kokoa ary hampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka Amerikana sy Malagasy. Maneho fahavononana hanohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny fihariany amin’ny fomba maharitra sy misokatra ho an’ny fampiasam-bola amerikana ary mahasoa ny vahoaka Malagasy i Etazonia. Tamin’ny taon-dasa dia nahatratra hatrany amin’ny 1 000 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’ny firenena roa tonta ary i Madagasikara no nitana ny laharana fahaefatra amin’ireo mpanondrana entana tsy ara-tsolika any Etazonia amin’ny alalan’ny African Growth and Opportunities Act (AGOA). Etazonia no tsena lehibe indrindra ho an’ireo entana roa fanondran’i Madagasikara dia ny lamba sy ny lavanila izay miditra tsy misy hetra any Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA ary miteraka asa maherin’ny 100 000 eto Madagasikara.
Hanamafisana izany fifandraisana ara-barotra manan-danja izany dia niara-niasa tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ny Masoivoho Amerikana amin’ny fikarakarana ny hetsika “One Country, One Day” izay notontosaina ny 30 may teo. Nampivondrona ireo manam-pahaizana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy avy amin’ny governemanta Malagasy ary Amerikana ny hetsika ary nandinihana ireo fanararaotra sy fanamby eo amin’ny fampandrosoana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany hetsika izany ny Mpanolontsaina Voalohan’ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Tahiry Ratsimandao sy ireo solontena avy amin’ny Development Finance Corporation sy ny Foreign Commercial Service amerikana ary ny Antenimieran’ny Varotra amerikana eto Madagasikara na ny American Chamber of Commerce in Madagascar. Natomboky ny governemanta Malagasy sy Amerikana amin’ny fomba ofisialy ny fanatontosana ny paikadim-pirenena AGOA ho an’ny taona 2022-2025. Izany paikadim-pirenena izany izay vatsian’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) no tondrozotra hoentina hampitomboana ny fanondranana entana ataon’i Madagasikara mankany Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA sy hanatsarana ny sehatry ny fampiasam-bola eto Madagasikara.



