Trangam-piarahamonina

TSY FANDRIAMPAHALEMANA: LEHILAHY IRAY NITONDRA ANTSY LAVA VOASAMBOTRA

Andranomanalina, Antananarivo – Nisambotra lehilahy nitondra sabatra ny polisy

Vokatry ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana any anaty elakelantrano no nahasamborana ity lehilahy 01 ity, araka ny vaovao voaray ny 31 May 2023. Polisy nanao fanamiana sivily no nanao ny fisamborana.

Raha tsiahivina, naharay fitarainana ny polisy mahaksika ny asa ratsy ataona mpanendaka miaraka ami’ny antsy lava. Lasibatra ny eny Isotry sy Ampefiloha. Natomboka ny fisafoana ireo elakelantrano ka izao nahitam-bokany izao. Teny Andranomanalina no nahatratrana ilay lehilahy nitondra sabatra. Voalaza fa teo am-piandrasana olona ho endahana izy no tra-tehaka.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page