FahasalamanaSosialy

Fampinonoandreny : Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety ny Unicef

Nandritra ny Webinaire nokarakarain’ny REMAPSEN ny Alarobia 31 Jolay 2024 no nanazavan’ny UNICEF, faritra Afrika Andrefana sy Afovoany ny tombontsoan’ny fampinonoan-dreny.

Ankalazaina ny 1 ka hatramin’ny 7 aogositra ny herinandro maneran-tany amin’ny fampinonoan_dreny. Ho an’ity andiany ity, ny Dr. Siméon NANAMA, mpanolotsaina momba ny sakafo ao amin’ny biraon’ny UNICEF any Afrika Andrefana sy Afovoany, dia nanome fampahalalana ho an’ireo mpanao gazety mpikambana ao amin’ny tambajotra REMAPSEN momba ny maha zava-dehibe ny fampinonoan-dreny. Ny lohahevitra noresahina dia ny hoe: “Ny fampinonoan-dreny sy ny sakafo voalohany: ho sakafo tsara ho an’ny ankizy any Afrika Andrefana sy Afovoany”.

Manampy ny zaza sy ny reniny ny fampinonoan-dreny

Ny rononon-dreny no sakafo voalohany ho an’ny zaza. Izy io dia manome otrikaina ahafahan’ny zaza mitombo sy mivoatra. Manampy ny zaza hahatohitra ny aretina, noho ireo singa fototra ao anatiny. Misy tombony ho an’ny reny koa ny fampinonoana ny zazakely. Nilaza ny Dr NANAMA fa ny reny mampinono tsy misy fangarony dia manana risika ambany kokoa amin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranonjaza. Manampy ny reny amin’ny fanelanelanana amin’ny fomba natoraly ny isan’ny zaza ateraka koa izy io.

Ankoatra izay, nitondra fanazavana mikasika ny fomba fanohanan’ny UNICEF ny governemanta amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy miasa ny Dr NANAMA. Raha ny nambaran’ity manampahaizana manokana momba ny sakafo ity dia zava-dehibe ny fisian’ny lalàna fa tsara lavitra ny fampiharana azy ireny. Anisan’ny noresahina ny zon’ny reny mampinono ao amin’ny orinasa.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page