Mandray anjara amin’ny ady amin’ny famarinana olona ny mpanao gazety

Antananarivo, faha 04 Jolay 2024 – Niofana mikasika ny famarinana olona ny mpanao gazety
Endrika maro no isehoan’ny famarinana olona. Miainga amin’ny fandraisana ilay olona, fitaterana azy amina toerana anakiray, fampiantranoana ilay olona ka ampitaka ny fomba nanatanterahana izany mba ahafahana manararaotra ilay olona mety ho fanararaotana ara-nofo na koa ara-bola. Voafaritra ao amin’ny lalàna laharana 2014 – 040 mikasika ny ady amin’ny famarinana olombelona izany. Voalaza ao anatin’ny andininy voalohany ao amin’io lalàna io hatrany fa sokajiana ho famarinana olona ny fanararaotana ara-nofo, ny asa an-tery mitovy endrika amin’ny fanandevozana, ny fanambadiana an-tery, ny fivarotana olona, ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna, ny fanatanterahana asa ho fanefana trosa, ny fanirahana olona hangataka – ny ankizy no tena tsikaritra tratran’io ary hita manerana ireo tanan-dehibe eto Madagasikara izany ary endrika farany maneho famarinana olona ny trafikana taova.

Manoloana ny fidadasika ny ady, misokatra amin’ny mpisehatra rehetra ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olombelona na ny BNLTEH. Nisafidy hiara-miasa amin’ny mpanao gazety izy ireo ka natomboka tamin’ny atrikasa fampitam-baovao sy fanofanana ny fandaharam-potoana ny 04 sy ny 05 Jolay 2024. Nanamafy ny Sekretera Mpanatanteraka eo anivon’ny BNLTEH, Eric Ramahandrisoa fa tandindomin-doza ny zaza Malagasy noho ny fanararaotana mamoafady. horonantsary mamoafady an’aliny hoy izy no mivoaka an’i Madagasikara isan-taona ka ny ankizy no lasibatra amin’ny fanatanterahana ireny horonantsary ireny.
Mifanome tanana amin’ny BNLTEH ny fikambanana tsy miankina Woman Lead Movment Madagascar na WLMM. Mandray an-tanana ireo vehivavy avy niaina herisetra na koa famarinana izy ireo. 150 ny isany ka nozaraina ho andiany 03. Hofanina, omena tohana ara-tsaina sady tarihana hiditra any amin’ny sehatry ny asa hoy ny tompon’andraikitry ny WLMM, Rasamimanana Riambelo Onjaniaina.
Ireo vehivavy navarina tany Koweit sy ireo tany Arabo matetika no fantatry ny maro raha ity resaka famarinana olona ity no asian-teny. Ahitana tranga maro koa anefa na ny eto Madagasikara aza raha tsy hiresaka afa-tsy ny fampiasana ankizy hiasa an-trano.
Fiaraha-miasa teo amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny BNLTEH no nahafahana nanatanteraka ny fiofanana. Tsy hijanona eto Antananarivo ny fifampizarana fa ho entina any amin’ny faritra, araka ny nampitain’ny tompon’andraikitra.



