Fahasalamana

Ady amin’ireo aretina MTN, mikendry hahatratra an’I Afrika ny hetsika WINs

Alarobia, faha 21 Aogositra 2024 – Nanazava ny ezaka ataon’ny fikambanana tsy miankina WINs ny profesora Epee Emilienne.

Maro ireo aretina tropikaly tsy nomen-danja na antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe: Maladie Tropicale Négligée (MTN) hita manerana an’I Afrika. Women in Neglected Tropical Diseases na WINs ny anaran’ilay fikambanana, na raha adika – vehivavy vonona hiady amin’ireo aretina tropikaly notsinontsinoavina. Ny profesora Emilienne Epee no filohany. Nambarany, nandritra ny fampitam-baovao ho an’ny mpanao gazety fa  miisa 20 ny MTN eto Afrika raha 17 ny ao Cameroun. Ao amin’io firenena io no mijoro ny fikambanana WINs saingy mikendry ny hahatratra an’I Afrika manontolo ny ezaka ataony raha ny fanazavany ihany.

Sokajiana 02 ny MTN ka voalohany ny aretina mifindra. Fomba fiasan’ny WINs manoloana io sokajy io ny fanomezana fitsaboana avy hatrany ny mponina ao amin’ny faritra na ilay toerana ahitana ny aretina. Tanjona ny hifehezana ny fiparitahan’ny aretina sy ny fampihenana ny isan’ny tranga. Ao amin’ny sokajy faharoa kosa ny nametrahan’ny WINs ireo aretina mila fandraisana an-tanana mafonja arakaraka ny karazan’ilay aretina. Ohatra amin’ireny ny Filariose na ongobe hoy ny eto Madagasikara. Miafina ireo marary. Iharan’ny fanilikilihana izy ireny. Mba hahafahana manome fitsaboana azy, tsy maintsy karohana any anivon’ny fiaraha-monina izy ireo. Eo no mampiavaka ny asan’ny WINs. Miara-miasa amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo satria matetika ny vehivavy no mahafantatra ny toerana misy ny marary. Izy ireo no afaka mandresy lahatra ny marary. Aorian’izay vao afaka mihaona sy manolotra fitsaboana sahaza ilay olona ny dokotera mpiara-miasa amin’ny WINs. Fomba fiasan’ity fikambanana ity ny famolavolana tetikasa, fanolorana servisy ary fiantsoana ireo mpanohana ara-bola hanohana ny tetikasa.

Nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny 07 Avrily 2024 no nanatanterahana ny lanonana fanokafana ofisialy ny hetsika WINS tao Yaoundé – Cameroun.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page