Alliance Française Antananarivo: Mampifandray ny sosialy, kolontsaina ary fanabeazana
Alliance Française Antananarivo: Mampifandray ny sosialy, kolontsaina ary fanabeazana


Mitombo isa ny olona misitraka ny tolotra omen’ny AFT etsy Andavamamba. Tafiakatra 8000 mahery ireo niatrika ny fanadinana hakana diplaoma DELF sy DALF tamin’ny taona 2022. Ampifandraisina ny fampiroboroboana ny teny frantsay sy ny hetsika ara-kolontsaina samihafa. Taratra avy amin’ireo hetsika karakarain’ny AFT io fomba fiasany io. Tafiditra hatrany ny fampiroboroboana ny teny frantsay mandritra ny fetin’ny mozika, ny fetin’ny teny frantsay ary amin’ireo fifaninanana sora-tononina. Nahasarika ny mpiara-miombon’antoka hanampy ny AFT izay fitombon’ny olona misitraka ireo tolotra omeny ireo ka nisy ny fananganana trano vaovao handraisana mpianatra. Ahitana efitrano 09, ahafahana manatsara ny kalitaon’ny fampianarana. Ho tohizana ny asa hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AFT, Monique Raharinosy nandritra ny fotoana nanaovan’izy ireo hetsika ara-tsosialy ny talata 14 Febroary tetsy Andavamamba. Nambarany fa ny AFT ihany no nahavita nanangana trano taorian’ny valanaretina covid 19. Izy koa no manana mpiadina fanadinana DEFL sy DALF be indrindra, saika manerantany.
Hitohy amin’ny fitetezana kartie maro eto Antananarivo ny fampiroboroboana ny teny frantsay. Hetsehina ny AFT Mobile. Fiarabe iray mitety tanàna, ahitana mpampianatra teny frantsay, mitondra karazana boky maro azon’ny ankizy sy ireo liana vakiana no ho ampiasaina. Haseho amin’ny endrika kanto ny fanentanana miaraka amin’io AFT mobile io. Fandaharam-potoana hatao amin’ity volana Febroary ity izany.
Ankoatra ny fampianarana sy ny kolontsaina, mivelatra amin’ny lafiny sosialy koa ny hetsika karakarain’ny Alliance française. Natokana ho andro fanomezan-drà maimaimpoana ny talata 14 Febroary. Teny filamatra ny hoe: Manome rà manome aina. Hetsika efa mahazatra izy io raha ny fanazavana ihany.




