FARITRA ANALANJIROFO: ATAO PONT BAILEY NY TETEZAN’I SAHARAMY

Mananara Avaratra – Alahady 04 Jona 2023. Arenina ny tetezan’I Saharamy. Tamin’ny taona 2012 no tapaka io tetezana io vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Giovana. 11 taona aty aoriana, tapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hanarina izany amin’ny alalan’ny fametrahana « pont bailey ». Ny Filohampirenena Andry Rajoelina, nandritra ny fitsidihany ny faritra Analanjirofo no nanao ny fanambarana. Nambarany fa haharitra 03 volana ny fametrahana io tetezana ao Saharamy io. Kaominina vitsivitsy no hahazo tombontsoa amin’ny fampiasana azy toa an’I Antananivo, Sandrakatsy ary Ambatoarahana. Nanambara koa ny filoha fa amboarina ny lalana mampitohy an’I Mananara sy Sandrakatsy.

Nandritra ny fitsidihany ny distrikan’I Maroantsetra, iray andro nialoha an’io, no nanambaran’ny filoha amboarina ny lalampirenena fahadimy miainga ao Soanierana Ivongo, mandalo an’i Mananara avaratra hatrany Maroantsetra.



