Voafonja miisa 9757 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy faobe
Antananarivo, faha 02 Janoary 2024 – Namoaka didim-panjakana fanalefahan-sazy ny fitondram-panjakana.
Voafonja miisa 9757 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy faobe. Afaka mivoaka ny fonja avy hatrany ny 2766 amin’ireo raha ny fampitam-baovao navoakan’ny fiadidiana ny repoblika ny talata 02 Janoary 2024.
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2023 – 1680, tamin’ny 31 Desambra 2023, omena fanalefahan-tsazy faobe ireo voafonja miisa iray alina latsaka kely noho ny fahatratrarana ny taona 2024. Ireo efa nahazo fanasaziana raikitra no hisitraka ity fanalefahan-tsazy omen’ny filoham-pirenena ity, araka ny fahefana omen’ny lalam-panorenana azy. Mason-tsivana nojerena ny havesatry ny heloka vitan’ilay olona, ny taonany ary ny faharetan’ny saziny.
Tsy ahazoana fanalefahan-tsazy kosa ny fanodikondinana volam-panjakana, ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny herisetra ara-nofo sy ny fanolanana, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ny Fanjakana, ny fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena, ny heloka mahakasika ny fanondranana harena sarobidy sy voajanahary, ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ary ny fakana an-keriny.
Mahatratra 16 766 ny isan’ny voafonja rehetra eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny fididiana ny Repoblika hatrany.