Sosialy

Mpisehatra feno amin’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny mpanao gazety

Antananarivo, faha 04 Marsa 2024 – Atrikasa nakana ny hevitr’ireo mpanao gazety sy mpamokatra lahatsoratra amin’ny tambazotra sosialy no nanamarihanan’ny fikambanana tsy miankina Ecpat France ity andro erantany iadiana amin’ny fanararaotana mamoafady ity. Ho fanamafisana ny fiofanana efa azon’ireo mpanao gazety sy mpisehatra amin’ny aterineto, tapaka fa hamokatra volavolam-pandaharam-piofanana ho azy ireo ny ECPAT France miaraka amin’ny UNICEF. Natao hanampiana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany ny fiofanana ho tanterahana avy eo. Hiparitaka manerana ny faritra maro izay iasan’ny tetikasa. Nanatrika ny fihaonana ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy ary ny filohan’ny tambazotra REMAPSEN. Teo koa ireo mpanao gazety sy mpamokatra lahatsoratra sy fanairana anaty tambazotra sosialy. Anton’ny fampandraisana anjara ny haino vaky jery ny fahitana fa mitombo ny tranga fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy eto Madagasikara, indrindra amin’ny aterineto, raha ny fanazavan’I Ratianarimanana Heriniaina, tompon’andraikitry ny asa fisorohana ny fanararaotana mamoafady ao amin’ny ONG Ecpat France.

Tamin’ny taona 2009 no nanomboka nanamarika ity andro erantany hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady ity izao tontolo izao. Ny fahatsapana ny firongatry ny tsy fanajana ny zo fototra mahaolona, indrindra ny vehivavy sy ny tovovavy no antony iray nandraisana azo ho andro erantany. Noraisina ho tsy manan-tsafidy ny vehivavy manoloana ny lehilahy teo amin’ny lafiny firaisana ara-nofo sy fanararaotam-pilana. Nanampy trotraka izay fomba fijery izay ny firoboroan’ny teknolojia, hany ka nahazo vahana ireo manararaotra ara-nofo anaty tambazotra. Najoro ary ny tetikasa iarahan’ny ECPAT France sy Unicef mba hisorohana ny fihitaran’ity fanararaotana atao amin’ny ankizy ity. Tetikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fisorohana sy fiatrehana ny fanararaotam-pilana sy fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy amin’ny aterineto.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page