Voix Essentielles, tetikasa hanampiana ny vehivavy afrikanina
Betsaka ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy afrikanina mandray andraikitra any amin’ireo sehatra ahafahana manapa-kevitra. Mandray anjara amin’ny fampivoarana ny toekarena anefa izy ireo na dia voafetra aza ny fahafahany miditra amin’ireo tolotra fanararaotra samihafa eo amin’ny fiainana. Nambaran’i Awa Yanogo, mpiandraikitra ny haitaky eo anivon’ny fikambanana Speak Up Africa fa ny fahafahan’ny vehivavy mandray fanapahan-kevitra sy ny fahaiza-mitarika ananany no fomba ahafahan’izy ireo hanana ny fahazakan-tena. Izany no miantoka ny ahafahan’izy ireo maneho hevitra, milaza ny hetahetany sy izay heveriny fa tombontsoany ka hidirany eo amin’ny sehatra ahazoany mandray fanapahan-kevitra.

Ireo no antony nananganana ny tetikasa « initiative Voix Essentielles ». Tamin’ny taona 2021 no natomboka tany Sénégal, Burkina-Faso ary Côte d’Ivoire ny tetikasa ka ny Speak Up Africa sy ny Fondation Channel no tompomarika tamin’izany. Omen-danja ao anatin’ny tetikasa ireo vinanasa eny ifotony mba hisy fiantraika maharitra. Hatramin’izay fotoana nisiany izay, firaisamonim-pirenena miisa 21 no nahazo torolanana sy nandray anjara tamina dinika nasionaly. Vehivavy mpitarika miisa 27 no afaka niditra teo amin’ny sehatra mpanapakevitra teo amin’ny firenena misy azy. Olona miisa 1100 no nahazo fiofanana, tao amin’ireo firenena 03 misitraka ny tetikasa. 487 ny isan’ireo asa natao tany amin’ireo firenena ireo. ny tetikasa Voix Essentielle dia mikendry ny hanome fanohanana ho an’ireo fikambanan’ny vehivavy sy ny tovovavy miasa eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina any amin’ireo tany miteny frantsay any Afrika Andrefana.
Nitondra fanazavana momba ny asa ataony any Côte d’Ivoire i Anne Cécile KONAN, filohan’ny union nationale des femmes handicapées de Côte d’ivoire (UNAFHCI), Fatimata Lamine SY, Présidente de l’Association Sénégalaise pour l’avenir de la femme et de l’Enfant et Armanda SAWADOGO, Secrétaire générale de l’Association de soutien aux Enfants et Femmes vulnérables au Burkina Faso.


Ny Speak Up Africa sy ny tambazotran’ny haino vaky jery mivoy ny fahasalamana sy ny vaovao momba ny tontolo iainana aty Afrika, REMAPSEN no nikarakara ity valandresaka an-habaka ho an’ny mpanao gazety ity, ny Alarobia 05 Marsa 2025. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ankalazaina isaky ny 08 Marsa ity fandaharam-potoana ity.



