FahasalamanaSosialy

VIH SIDA : Manan-jo hitsabo tena ny reny bevohoka

Alatsinainy, faha 01 Desambra 2025 – Manamarika ny andro erantany iadiana amin’ny VIH SIDA ny eto Madagasikara.

Atao fitiliana VIH ny vehivavy bevohoka rehefa misafo eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nisy vokany teo amin’ny fivoaran’ny antotanisa eo ampelatanan’ny fanjakana io fanaovana fitiliana ny vehivavy bevohoka io, ankoatra ireo olona hafa efa nahavita fitiliana VIH. Tsy mora na izany aza ny andraikitry ny mpiasan’ny fahasalamana. Tojo olana izy ireo rehefa sendra olona tsy mahafantatra ny marina momba ny aretina sy ny zo ara-pananahana. Mpiasan’ny fahasalamana anakiray no nitantara ny fa rehefa voamarina fa miabo ny valin’ny fitiliana ny reny iray dia nanentana ilay vehivavy izy ireo hihinana fanafody ho fitsaboana azy sy firoavana ny zaza ao an-kibo. Nilaza ilay reny fa handeha hiera amin’ny vadiny aloha. Ny tantara ihany no nahafantarana fa tsy neken’ilay lehilahy ny hanomezana fanafody ilay reny bevohoka. Tsy nisy ny fandraisana an-tanana azo natao azy ireo. Olana ho an’ny fiaraha-monina ity tranga ity satria mety ho fomba iray hanaparitaka ny VIH. Ahiana hitera-doza ho an’izay hampiteraka ilay ramatoa ihany koa. Manginy fotsiny ny mety ho fifindran’ny tsimokaretina amin’ny zazakely. Amin’ny tranga toy izao, mila mandefa ny tatitra any amin’ny ambaratonga ambony ny mpiasan’ny fahasalamana, hoy Razanaliliany Hajasoa na rasazy Lilie, filoha ny fikambanan’ny rasazy ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, nandritra ny hetsika faobe Campagne zéro discrimination natao tany Mahajanga ny 10 – 14 Novambra 2025.

Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana

Ambony ny risika ifindran’ny VIH amin’ny zazakely raha tara vao fantatra ny fisian’ny tsimokaretina ao amin’ny reniny hoy Dr Perle Randimbimanamiantaniaina Todiarivo, médecin référent VIH Unité médicosocial régional – UMSR DRS Boeny. Raha hita mialoha fa mitondra ny tsimokaretina ilay reny dia mety tsy hamindra amin’ny zanany izy raha voaray an-tanana sy mihinana fanafody. Raha efa tara kosa ny fahitana ny tsimokaretina dia mila fanaraha-maso manokana eo amin’ny fiterahana, omena fanafody koa ny zaza ateraka mba hiarovana azy tsy ho tratry ny aretina. Raisina an-tanana kosa ilay zazakaley raha sanatria efa tratra.

Marihana ny 01 Desambra 2025 ny andro manerantany iadiana amin’ny VIH SIDA. Fomba iray manampy amin’ny famongorana azy ny fanaovana fitiliana. Raisina ho tsiambaratelo ny torohay rehetra mikasika ilay olona atao izany. Manampy ilay olona ny valin’ny fitiliana. Afaka misoroka tsy ho tratry ny VIH izy raha miiba ny valiny, afaka mitsabo tena sy tsy mamindra amin’ny hafa kosa raha efa tafiditra ny tsimokaretina.

Manan-jo ho salama, hitsabo tena ary hahazo ireo fahalalana rehetra momba ny fahasalamana ara-pananahana ny vehivavy sy ny ankizivavy. Tsy voatery hiera amin’ny olona hafa na ny vadiny izy ireo rehefa handray an-tanana ny momba ny fahasalamany ara-pananahana, araka ny lalàna laharana 2017 – 043. Manamafy izay voalazan’ny lalàna ity tranga iray niseho tany Mahajanga ity.

Ny Réseau national parlementaire sur la justice reproductive (RPNJR) sy ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) no nikarakara ity « campagne zéro discrimination » tao Mahajanga ity. Niara-niasa ny fitalevam-paritry ny fahasalamana, ny mponina ary ny tambazotra iraisan’ireo mpanao gazety mivoy ny fahasalamana na REMAPSEN. Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny IPAS Afrique Francophone.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page