Mitombo isan-taona ny olona mindram-bola amin’ny banky

Antananarivo, faha 11 Desambra 2023 – Antony maro ny mahatonga ny olona mindrana vola any amin’ny banky. Ny fampidirana mpianatra, fananganana trano na fividianana tany. Fotoana mampitombo ny isan’ny mpindram-bola koa anefa ny fanomanana fety.
Bni Madagascar: Hamoraina ny findramam-bola hiatrehana ny fety
Hetsika fanaony isan-taona ny “credit fety”. Ho an’ity taona 2023 ity, kendrena hahatratra 12 000 ny isan’ireo mpanjifan’ny BNI hisitraka io tolotra io. Hanampiana ny mpanjifa hianoka anaty fety faran’ny taona mahafinaritra ny tolotra, hoy Olivier LOISEL, tale jeneraly lefitra ao amin’ny BNI Madagascar. Nampahafantarina tetsy amin’ny foibeny tetsy Analakely ny mikasika ity “credit fety 24H ity ny Alatsinainy 11 Desambra 2023. Voalaza fa mivoaka ao anatin’ny fotoana fohy ny vola, araka io anarany 24 ora io. Maivana ny taratasy karakaraina. Vola mitentina 50 000 000 ariary no azo angatahana. Arakaraky ny toe-bola ao anaty kaontin’ny mpanjifan’ny banky no ahafahana mamaritra ny vola azo trosaina. Manana 24 volana hamerenana ny vola nangatahany ny mpanjifa. Isam-bolana no hanefany ny vola. Arakaraky ny vola nangatahana kosa ny zanabola alain’ny banky.
Kaonty tahiry sy fisarihana
Hanokafana Kaonty tahiry Mitsiry ireo mindram-bola amin’ny “credit fety”, hoy Manoa Rasandinirina, misahana ny “marketing” ao amin’ny BNI Madagascar. Hisy koa ny fisarihana ahazoana loka ho an’ireo olona nanokafana kaonty tahiry Mitsiry sady nindram-bola “credi fety”. Mpanjifa miisa 06 no hisitraka azy io aorian’ny fisarihana. Ankoatra izay ny fisarihana ho an’ireo olona mandoa vola amin’ny carte BNI, mpanjifa 20 no hahazo amin’io lafiny io, hoy hatrany ny fanazavana. Ireo mpanjifa mampiasa ny carte BNI no kendrena amin’ity tolotra ity. Hifarana ny 31 desambra ny fandraisan’anjara amin’io fisarihana mikasika fampiasana karatra io.



