Fiatrehana ny andro ratsy Alvaro: Nampiomana ny mponina ny skoto Tily

Tanora tily miisa 120 no nirotsaka an-tsehatra nanentana ny mponina nialoha ny fidiran’ilay andro ratsy Alvaro tany Atsimo Andrefana sy Menabe ny 01 Janoary 2024 teo. Nojerena manokana ny tao amin’ny distrikan’i Toliara I, Toliara II, Morombe, Morondava sy Manja izay efa nahazo fampitandremana loza mitatao (miloko mena).
Tanjona ny hampihenana ny fiatrahikan’ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro eo amin’ireo mponina ireo, mba hisorohana ny mety ho fisian’ny aina ho afoy. Efa nivonona tamin’izay mety ho firotsahana any amin’ireo fikarakarana traboina ihany koa izy ireo. Nampita ny tsara ho fantatra rehetra mikasika ny rivo-doza, nampatsiahy ireo fihetsika tokony atao mialoha, mandritra sy aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza no tena nimasoana.
Miara-miasa amin’ireo ambaratongam-pahefana any an-toerana sy ny BNGRC ary ny UNICEF ny Tily nandritra ity asa firotsahana ity ary hivelatra any amin’ny faritra hafa ny asa firotsahana ho atao araka izay mety ilàna azy.
Mifandraika tsara amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) faha-13 (maka fepetra hiatrehana ny fikorotanan’ny toetrandro) sy ODD faha-17 (manamafy sy mamelona ny fomba hanatanterahana ny fiarahamiasa iraisam-pirenena ho an’ny fandrosoana lovainjafy) izao hetsiky ny Tily izao.
Tsihaivina fa feno 100 taona katroka amin’ity taona vaovao 2024 ity ny skoto Tily eto Madagasikara, izay hanokatra ny fankalazana izany jobily izany ny 27 janoary ho avy izao.



