Fiatrehana sy fisorohana ireo aretina amin’ny fomba marolafy, ampiasain’ny OMS ny fomba fiasa ONE HEALTH
Ilaina ny fitsaboana, tsy azo ialana ny lafiny fisorohana, eo koa anefa ny fanentanana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina. Ireo lafy samihafa ireo no voakasika ao anatin’ilay fomba fiasa One Health na fahasalamana iray ihany, araka ny fanazavan’ny rafitry ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na ny OMS. Nampahafantarina ny mpanao gazety mivondrona anatin’ny Tambazotra manerana an’i Afrika REMAPSEN ny 14 Febroary 2024 teo io fomba fiasa io. Ny Profesora Koné BRAMA, tompon’andrikitra misahana ny lafiny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasalamana ao amin’ny OMS Afrika Andrefana sy Afovoany no nanazava ny antsipirihany. Nambarany fa tsy maintsy miara-miasa ny rafitra anatin’ny governemanta ifehezana ny aretina. Nandraisany ohatra ny valanaretina Covid 19 farany teo. Nanao ny asany ny dokotera, teo koa anefa ny mpahay serasera nanao fanentanana ny mponina mikasika ilay aretina ary indrindra ny lafiny ara-bola tamin’ny alalan’ny ministera misahana izany ka nahafahana nandray an-tanana ny marary sy nahafahana nampanao vaksiny ny olona.
Raha fintinina, fomba fiasa mampifandray’ireo sehatra marolafy anjara sy ireo rafitra na secteur samihafa miasa no atao hoe One Health, mba ahafahana mifehy ny aretina ka voasahana avokoa na ny lafiny fitsaboana na ny fisorohana ary ny fikarohana ara-tsiantifika ny antony sy ny vokatry ny aretina iray. Voakasika manokana ireo karazana aretina mifandray amin’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana.



