Literatiora: Nivoaka ny boky ikalomanga

Antananarivo, faha 26 Marsa 2024 – Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky “Ikalomanga”. Tao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena no nanatanterahana ny lanonana.
Asa soratr’I Clarisse Ratsifandriamanana Ikalomanga. Tantara nosoratany tamin’ny taona 1967 « IKALOMANGA » ary nasiany fanitsiana tamin’ny taona 1978. Boky mitantara ny fiainana tovolahy kely avy any ambanivohitra nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny teto Antananarivo Ikalomanga. Taratra ao anatin’ireo pejy 280 n’ny boky ny fahasahiranan’ireo mpila ravin’ahitra aty an-tanàn-dehibe sy ny fiezahan’izy ireo hihoitra sy hifanampy.
Miisa 350 no natonta ka horaisin’ny minisitera’ny Serasera sy ny Kolontsaina an-tanana ny fividianana ireo boky miisa 100. Nanambara koa ny ministra Andriamananoro Augustin fa hapetraka tsy ho ela ao amin’ny tranombokim-pirenena ao Anosy ny efitrano mitondra ny anarana Clarisse A. Ratsifandriamanana. Ankoatra izay, voalaza fa hatao sarimihetsika koa ny ampahany amin’ity boky ity mba hahafahan’ny tanora mianoka anatin’ny kanto.



