Ankizy toy ny rehetra ireo trisomie 21
Antananarivo, faha 20 Marsa 2024 – Nampahafantatra ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny Trisomie 21 ny fikambanana Down Syndrome Madagascar.
Marihana isaky ny 21 Marsa ny andro erantany ho an’ny Trisomie 21. Ho an’I Madagasikara, nanomboka ny taona 2017 ny fankalazana. Hanamarika ity andiany faha 07 ity ny fampahafantarana ny Trisomie 21, ny fanehoana fa mitovy zo ny olona rehetra na misy fahasamihafana aza. Atsaharo ny fitsaratsaram-poana, izay ny lohahevitra ho an’ny taona 2024. Aseho amin’ny fitondrana ba kiraro tsy mitovy io hafatra io araka ny safidin’ny fikambanana. Hisy koa ny fivoriana ampitain-davitra ka handray anjara I Madagasikara. Ankoatra izay, hanatanteraka hetsika antsoina hoe Hizara hafaliana ny fikambanana. Ireo ankizy na olon-dehibe Trisomie 21 miaina any anaty fiaraha-monina sady tsy voaray an-tanana any anaty fikambanana no kendrena amin’io fizarana hafaliana io. Raha ny sehatra iraisampirenena kosa no asian-teny, mikasa ny hanatrika ny fivoriana atao any Australie i Madagasikara. Mila tohana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ahafahana mandefa solotena any amin’io fivoriambe io. Hatreto, mbola ny ezaka ataon’ny fikambanana no nahafahana mandray ireo ankizy Trisomie 21, araka ny fanazavana nomen’ny filoha mpanorina ny fikambanana Down Syndrome Madagascar Daniella Laza Razafinjatovo. Nambarany fa afaka mianatra ary mahavita asa toy ny ankizy rehetra ny zaza Trisomie 21.
Atsaharo ny fitsaratsaram-poana
Tsy aretina ny Trisomie 21. Olana ara-tsiansa ny azo hanazavana io fahasembanana io. Hatrany am-bohoka no miainga ilay tsy fahatomombanana. Vokany, somary manana fahatarana eo amin’ny fihetsika sy fandraisana torohay ny ankizy tratrany. Na izany aza, afaka manohy ny fianarany sy mahavita asa toy ny olon-drehetra izy.

Mila fandraisana an-tanana sy fampianarana manokana izy ireo mba hitovizany amin’ny zaza mitovy aminy. Voalaza fa manodidina 100 000 Ariary ny vola ilain’ny raiamandreny isam-bolana ho an’ny ankizy 01 Trisomie 21. Tsy ampy anefa io vola io raha toa ka manana filana mihoatra ny ankizy hafa ilay zaza. Izay fandaniana ara-bola izay sy ny tsy fahalalana fa tratran’ilay toe-tena Trisomie 21 ny ankizy no antony mahatonga azy ireo tsy hisitraka feno ny zony. Hatreto ankizy manodidina ny 150 no efa nandalo tao amin’ny fikambanana tarihan’I Daniella Laza Razafinjatovo.
Tamin’ny taona 2005 no nitsiry ny hevitra hanamarihana ny andro erantany ny Trisomie 21 ka ny fikambanana Frantsay misehatra amin’ny fikarohana momba io toe-tena io no tompon-kevitra voalohany. Ny volana Desambra 2011 kosa nanapaka ny fivoriambe fa ny 21 Marsa no andro erantany raha ny taona 2012 no nankatoa io daty io ny firenena mikambana.



