Sosialy

Manamafy ny fiarovany ny zon’ny ankizy i Gilardy Totozandry

Antananarivo, faha 23 Avrily 2024 – Vita sonia tamin’ny fomba ofisialy ny fanendrena an’I Gilardy Totozandry ho mpiaro ny zon’ny ankizy.

Hatramin’ny fahazazany I Giraldy no niaro ny zon’ny ankizy. Tsy mahazaka ny tsy rariny mianjady amin’ireo zaza marefo sy tsy mitovy amin’ny ankizy hafa izy. Niainany rahateo ny fanavakavahana azy noho izy albinos na varira. Nanohana azy hatrany ny raiamandreniny nandritra ny fahazazany ka nahafahany tonga amin’izao toerana misy azy izao. Resy lahatra tamin’ny ezaka ataon’ity tanora ity ny Unicef ka nifidy azy ho mpiaro ny zon’ny ankizy 13 – 14 taona, “youth advocate” ny fiantsoana azy. Natrehan’ny  Talem-paritry ny Unicef aty afrika atsinanana sy atsimo Etleva Kadilli, ny lanonana fanaovan-tsonia. Nisolo ten any Unicef nanao ny Sonia kosa ny solotena maharitra miasa eto Madagasikara Christine Jaulmes. Vonona ny hiaro ny zon’ny ankizy aho hoy Giraldy.

Adidintsika rehetra ny miaro ny ankizy, na iza izy na iza, tsy misy fanavahana, hoy ny Talem-paritry ny Unicef raha nandray fitenenana. Nararaotiny ny fotoana niantsona ny Unicef sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hiara-hientana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy satria adidintsika ny miaro ny ankizy. Inona ny tokony hatsaraintsika mba hotombontsoan’ireto ankizy ireto hoy hatrany ny hafany.

Ramatoa Christine Jaulmes kosa nilaza fa anjaran’ny olona rehetra ny miaro ny zon’ny ankizy mba ahatonga azy ireo hisitraka ny feno ny zony. Hampivelatra azy ireo izany hoy ity tompon’andraikitra ity.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page