Foarabe fampivoarana andiany voalohany : Vonona ny mpikarakara

Trano heva 250 no hanehoan’ireo mpandraharaha ny asany, ny tolotra sy ny vokatra avy aminy. Hetsika ara-barotra, ifaneraserana ary hambolena fifandraisana eo amin’ireo samy mpandrahara ary koa eo amin’izy ireo sy ny mpanjifa. Maherin’ny 80 izy ireo no handray anjara amin’ny Foarabe Fampivoarana ny 16 – 21 Jolay 2024, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ny Departemanta ny Fitantanam-piainana Kristiana (FIPIKRI) eo anivon’ny Federasiona Advantista Madagasikara Afovoany (FMC), amin’ny alalan’ny sampany antsoina hoe FMC – Développement.

Varotra – Fampirantiana ireo vokatra avy amin’ny seha-pihariana samihafa no ho hita mandritra ireo fotoanan’ny foara ireo. Isan’izany ny vokatra avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny teknolojia maoderina, ny fitsaboana ara-boajanahary, ny taozavatra Malagasy, ny fiarakodia sy ny moto ary ireo kojakoja miaraka aminy. Hampiavaka azy koa ny fandraisan’anjaran’ireo mpiompy irony “chien de race” irony ary fitaovana fanaovana fanatanjahantena. Hisy tolotra samihafa sy vokatra tsy ampoizina koa aranty mandritra ny foarabe. Hampiavaka ity hetsika ara-barotra ity ny fandraisan’anjaran’ireo rafitra na “institutions” advantista, izay ahitana sekoly, ….
Fotoana hialana voly
Misokatra amin’ny 08 ora maraina ny vavahady mandritra ny foarabe fampivoarana. Hisy ny “podium” hanehona’ireo mpanatalenta avy eto amin’ny fiangonana ny sanganasany. Rindran-kira ara-pilazantsara iarahana amin’ireo mpanakanto advantista fantatry ny maro kosa no handravaka ny fotoana isaky ny folakandro.
Nanomana toerana ho an’ny ankizy koa ny mpikarakara mandritra ny foarabe “espace enfant”. Toerana ialana voly ho an’ny fianakaviana. Nosafidiana izany ho fanomezana fahafaham-po ny ankizy amin’izao vanim-potoanan’ny fianlantsasatry ny mpianatra izao.
Misy sakafo amidy amin’ny sarany mirary ao an-toerana ho fanamorana ny fitsidihan’ny olona ny foarabe.
Hetsika ara-panatanjahantena no hanakatonana ny foarabe fampivoarana andiany voalohany ny Alahady faha 21 Jolay tontolo andro. Lalao baolina kitra sy basketball no hatao amin’izay.
Tranoheva hatrany amin’ny 250 no zakan’ny kianja Barea. Ankehitriny, mbola misy toerana vitsivitsy azon’ireo liana hidirana raha manam-paniriana handray anjara izy ireo. Azo atao ny mifandray amin’ny tompon’andraikitra mikasika ireo tsara ho fantatra mikasika ny fepetra ahafahana mandray anjara.



