FIARAHA-MIASA ARA-TOEKARENA : NIHAONA NY PRAIMINISTRA SY NY IRAKY NY FMI

Antananarivo, 8 may 2023 – Ny sehatra hahafahan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena – FMI manohana bebe kokoa an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny Governemanta, io no nifantohan’ny dinika teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny iraky ny FMI, Andriamatoa Abebe Aemro Sélassié, Tale misahana ny Departemanta Afrika, androany maraina.
Nomarihin’Andriamatoa Abebe Aemro Sélassié fa niara-niasa akaiky tamin’ny fanjakana Malagasy hatrany ny FMI hatrizay, ary isan’ny manamarika an’izany ny fanohanana nandritra ny fotoan’ny valanaretina nandalovan’ny firenena. Nivoitra nandritra ny fifanakalozana niarahana tamin’Andriamatoa Praiminisitra ihany koa, hoy izy, ireo fanamby entina miatrika ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara, ary amin’izao fotoana izao dia mandrindra ny fomba hahatanteraka an’izany Andriamatoa Frédéric Lambert, Solontenan’ny FMI.



