Sosialy

Ampitomboina ny ezaka hanampiana ny vehivavy ho fampandrosoana ny firenena

Antananarivo, faha 08 Marsa 2024 – Ao anatin’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona dia mazava tsara fa  mitovy ny olon-drehetra eo anatrehan’ny lalàna. Matetika dia hiharan’ny fanjazakazana sy fampijaliana ny vehivavy sy ny ankizy ka ilaina ny miaro azy amin’izany. Ny drafitrasa sy ny tetikasa hanatsarana ny fiainan’izy ireo moa dia kely ihany raha oharina amin’ny fandaniana miompampanana amin’ny asa vaventy sy ny fihariana isan-karazany. Koa amin’ity taona 2024 ity dia nojerena indrindra fampitomboana ny ezaka fanohanana ny fiainan’ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra hahafahana mampandroso haingana ny firenena.

Ny zava-misy 

Hahafahana mampandroso ny toekarena ary indrindra hiainana ao anaty tontolo madio sy mahafinaritra dia ilaina indrindra ary ny fampiharana ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra.. Ny tsapa anefa dia miatrika sedra ngezabe isika satria mila vola be tsy toko tsy forohana (360 lavitrisa dollar isan-taona) no ilaina amin’ny fandaniana hanaovana asa hametrahana io fitovian-jo io hatramin’ny taona 2030.

Ireto ary misy toro-lalana hanaovana asa iombonana mba tsy ho voahilikilika ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana :

1) Ny fampiharana ny zon’ny vehivavy : mandeha ny fotoana ary ny fampiharana ny zon’ny olombelona dia fanamby lehibe indrindra hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny. Ny fandrosoana manome lanja ny vehivavy dia hahazoan’ny daholobe tombon-tsoa  tokoa eo amin’ny lafi-piainana rehetra.. Tsy tokony hisy  intsony ny fanilikiliana ny vehivavy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana na eo amin’ny fandinihana ny teti-bolan’ ny fanjakana izany, na eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Ilaina ny fampidirana ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra : famolavolana ny teti-bola, fanaovana ny tetik’asa sy ny fanatanterahana izany, sy ny sisa.

2) Fongorana ny fahantrana : Nohon’ny fisian’ny valan’aretina COVID sy ny ady dia niampy 75 tapitrisa ny olona latsaka tao anatin’ny fahantrana tanteraka tamin’ny taona 2020. Ilaina ary ny manao hetsika sy mametraka paikady haingana mba tsy hitombo 342 tapitrisa indray  ny vehivavy sy ny ankizy hiaina ao anatin’ny fahantrana amin’ny taona 2030.

3)Fandinihana ny fitovian-jo eo amin’ny famatsiam-bola : Nohon’ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fisian’ny ady etsy sy eroa, dia mety hihena 75 % ny fandaniana amin’ny teti-bolam-panjakana amin’ny taona 2025. Izany fihenana izany dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainan’ny vehivavy sy ny fandaniana ilaina amin’ny asa sosialy rehetra

4) Mametraka paikady ho an’ny toe-karena « maitso »  (économie verte) sy fiaraha-monina manome laharam-pahamehana ny fitsaboana. Ny drafitra ny toekarena amin’izao fotoana izao dia tsy mijery ny filan’ny vehivavy. Izany no tokony hampirisihana azy handray anjara amin’ny fampandrosoana ka hihainoana ny feony sy ny hetahetany.

5)Fanohanana ireo vondron’olona manampy ny vehivavy ary manome lanja ny fandraisan’ny vehivavy an-tsehatra amin’ny fampandrosoana. Tiana ny manamarika fa betsaka ny ezaka hataon’ireny vondrona ireny ho fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy, nefa dia latsaky ny 1% amin’ny teti-bolam-panjakana mazana no fanampiana omena azy ireny.

Fanamby 

  • Fanentanana ny ray aman-dreny handefa ny zanany vavy hianatra any an-tsekoly
  • Fanorenana sekoly vaovao manara-penitra akaikin’ny tanàna mba tsy handehanan’ny ankizy lavitra (hiarovana azy amin’ny herisetra mety miseho eny an-dalana,  hampahazoto azy mianatra, ….)
  • Fametrahana mpampianatra ampy sy manana ny traikefa ilaina
  • Fanentanana sy famporisihina ny zazavavy hianatra ary hanohy ny fianarany faran’izay lavitra indrindra
  • Fampahafantarana ny zon’ny vehivavy ary fitrandrandrahana izany (vulgarisation) eo amin’ny sehatra rehetra, sy ny fampiharana izany
  • Fampahafantarana ny tanora lahy sy vavy ny zo mikasika ny fananahana ara-pahasalamana mba hananany toetra amam-pihetsika tompon’andraikitra eo amin’ny fiainany ary indrindra ny hoaviny

 FEHINY

ny olona tsirairay, na lehilahy na vehivavy,  dia manana ny zony  ary tokony  hiezaka hamantatra  izany. Ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga dia tokony hanome fahalalana ny rehetra mikasika ny zo. Ilaina ny  fampahafantarana ny daholobe izany zo izany.

Anjaran’ny fitantanana foibe, izany hoe ny fanjakana izany, no mandinika izay tokony hatao hanatanterahana ireo toro-lalana dimy  voalaza teo aloha.

Na izany aza anefa dia entanina ny vehivavy tsy hisalasala hiditra amin’ny sehatra rehetra : toe-karena, sosialy, politika, hahafahany maneho ny heviny ary hohenoina.  Izay fampandraisana anjara azy eo amin’ny lafim-piainana izay dia hahafahana mampandroso haingana ny firenena.

Nanoratra: Gisèle Ratsimba

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page