Sosialy

Hamafisina sy hafainganina ny ezaka mikasika ny zo sy ny miralenta

Antananarivo, faha 11 Marsa 2024 – Mitsidika amin’ny fomba ofisialy an’I Madagasikara ny solotena maharitry ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina UNFPA misahana an’I Afrika  Atsinanana sy Atsimo, Lydia Zygomo. Nijery ny zava-misy eto Madagasikara sy ny hidinika amin’ireo mpitondra fanjakana mahefa ny hanatsarana ny ezaka efa natao no anton’ny fitsidihany.

 

Taorian’ny fidinany tany Toamasina, nilaza ity tompon’andrikitry ny UNFPA ity fa nanao ezaka I Madagasikara tamin’ny fametrahana ireo Brigade Féminine de Proximité, izay natao hisahana ny olana mikasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy. Misy koa ireo ivon-toerana fihainona ireo olona niaina herisetra, izay manome tolotra samihafa, toy ny fanohanana ara-tsaina, fandraisana an-tanana ny raharaha ary fanampiana eo amin’ny lafiny lalàna. Zava-dehibe hoy ny fanazavany ny fanentanana sy fampahafantarana ny olona ny atao hoe herisetra. Misy ireo manao izany noho ny heverina fa fanehoam-pitiavana na koa hasarotam-piaro, ao ireo tsy mahalala fa herisetra no ataony, kanefa efa miteraka ratra am-po amin’ny andaniny ny teny na fikasahan-tanana nanato. Voaresaka kokoa nandritra izao fitsidihany izao ny mikasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalavy sy mahavavy na ny VBG. Nifanojo tamin’ny fotoana nandrenesana trangana herisetra ara-nofo matetika rahateo ny fotoana nandalovany teto. Ny UNFPA hoy ity tompon’andraikitra ity tsy manao lalàna, fa kosa manohana ny governemanta, manome torohay azy ireo mikasika ireo traikefa tsara efa nampiharin’ny firenena samihafa nentina namahana ny olana. Isan’ny natsidiny nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny Alatsinainy 11 Marsa 2024 fa tena ilaina ny fanabeazana satria manampy ny tanora sy ny vehivavy hahalala ny zony, ahatonga azy ireo hanana asa sahaza rehefa mahavita fianarana ary tsy iankin-doha ara-bola. Singa iray entina hampihenana ny herisetra ny fandefasana ny ankizy any an-tsekoly ary ny fahaviatany hatramin’ny dingana farany lavitra ny fianarany.

Fanabeazana ara-pananahana feno

Fomba iray hanampiana ny tanora hahalala ny tokony ataony ny fanomezana azy fahalalana feno. Voaresaka nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety fa ilaina ny fanomezana ny tanora fanabeazana ara-pananahana feno. Toe-javatra maro no ho voasoroka raha feno ny fahalalana omena ny tanora. Mbola tsy manaiky ny hampidirana izany eo anivon’ny fandaharam-pianarana anefa ny fitondram-panjakana, na dia efa misy miroso tsikelikely ihany ny sekoly tsy miankina sasany. Nanambara ny solotena maharitry ny UNFPA miasa eto Madagasikara, Josiane Yaguibou fa eo ampandinihana ny mikasika azy io ny eto amintsika ankehitriny. Aleo hoy izy tsara omana ny votoatiny sy ny fomba hanatanterahana io fanabeazana ara-pananahana feno io mba tsy ho faty an-karanany toy ny hita tany amin’ireo firenena hafa. Tanjona ny hiarovana ny tanora amin’ny vohoka tsy nirina, ny fiarovana azy ireo amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary koa ny fahafahany maneho ny heviny sy mitaky ny zony, indrindra fa ny vatany no voakasika.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page