Sekoly zandary, niatrana ambany faneva ireo mpiofana andiany faha – 78

Ambositra, faha 18 Marsa 2024 – Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fiofanana ireo 1200 mianadahy. Ao anatin’ny andiany faha 78 izy ireo. JORO no anarana nisalorany izay raha azavaina dia mivaky hoe Justesse, Obéissance, Responsabilité ary Opérationnelle. Midika izany fa hiasa am-pahitsiana, hanaja ny baiko, tompon’andraikitra ary afaka miasa avy hatrany ireto andiany ireto. Niompana tamin’izay rahateo ny hafatra nentin’ny Géneral de division Jean Herbert Rakotomalala, kaomandin’ny zandarimariampirenena raha nandray fitenenana izy nandritra ny andron’ny lanonana.
Vonona hanohy ny fiofanana izahay, hoy kosa ireo 1200 mianadahy raha namaly ny fanontanian’ny ministra delege miadidy ny zandarimaria ny Jeneraly Andriantsarafara RAKOTONDRAZAKA. Nambarany fa ny fiofanana fototra no vita. Mbola tsy ny 1/5 n’ny tena tokony ho izy no azo. Zava-dehibe noho izany ny fahavononana hanohy hoy hatrany ny fanentanany. Nanentana ireto andiany ireto hanaja ny ny fitsipi-pifehezana, hanaja ny baiko, ary ny fiaraha-monina ny ministra.
Famindrana fibaikona
Lanonana faharoa natao tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimaria tao Ambositra ny famindram-pibaikona teo amin’ny Jeneraly komandin’ireo sekoly fiofanana zandary eto Madagasikara ny jeneraly Ramasitera Ny Haingo Zafinirina komandy vaovao sy ny jeneraly Boto Estellin komandy teo aloha. Navoitran’ny kaomandin’ny zandarimariampirenena ireo ezaka vita ka nitondrany fisaorana. Isan’izany ny fanavaozana ifotony ny fomba fampianarana, ny famoahana ny réferentielle de formation, ny fanontana ireo boky ho an’ny mpianatra zandary, ny fanokanana ny fanofanana ara-batana sy ara-tsaina.
Nampita hafatra ho an’ny kaomandy vaovao hitantana ny sekoly fiofanana koa izy raha nilaza fa mila zadary tsara ofana ny tanindrazana ary mila ainga vao ny sekoly



