KAROHANA NY PAIKADY IADIANA AMIN’NY JONO TSY ARA-DALANA

Antananarivo 05 Jona 2023 – Mikaon-doha ireo mpisehatra amin’ny jono an-dranomasina. Ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna no voakasika. Ny Blue Ventures Conservation Madagascar no mikarakara ny fivoriamben’ireo manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny jono, solontenam-panjakana, fikambanan’ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina avy amin’ireo nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana. Fihaonana izay handraisan’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) anjara.
Olona maherin’ny 600 tapitrisa no mivelona amin’ny jono sy ny fiompiana anatirano, araka ny nambaran’ny firenena mikambana. Loza mitatao ho an’ny rohivoahary an-dranomasina, ny fivelomana ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny mponina amorontsiraka anefa ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna.
Ny fanatanterahana ity fivoriambe ity dia iray amin’ireo hetsika maro novatsian’ny Departemantam-panjakana amerikana vola mitentina 227 000 dolara ao anatin’ny tetikasa tantanin’ny Blue Ventures. Tetikasa izay miompana amin’ny fanentanana ny daholobe amin’ny ady atao amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna; amin’ny fanamorana ny fanavaozana ny politika sy famolavolana paikady iraisam-paritra hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna; ary amin’ny fanamafisana orina ny tambajotran’ireo mpisehatra rehetra eto anivon’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe indiana.
Tao anatin’ny lahateny fanokafana ity fivoriambe ity dia nanambara ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Tsimanaoraty Paubert Mahatante fa: “Ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, dia nanolo-tena ny hiditra ao amin’ny FiTI na (Fisheries Transparency Initiative) izahay ka ankehitriny dia anisan’ireo firenena kandidà amin’izany. Tsy ho ela dia hanana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna i Madagasikara ary mikasa ny hanao sonia fifanaraha-mpiaraha-miasa amin’ireo fikambanana tsy miankina toy ny Sea Shepherd sy Global Fishing Watch amin’ny fampiharana ity paikady ity.”

Nanantitrantitra ny fahavononan’i Etazonia hitohy hanampy amin’ity sehatra ity ihany koa ny Lefitry ny Sekreteram-panjakana Amerikana Mpanampy misahana ny Ranomasina sy ny Jono Maxine Burkett tamin’ny lahateniny tao anaty horonantsary ka nanambara fa: “Laharam-pahamehan’ny governemanta amerikana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna ary manao izany ho ivon’ny asany avokoa ireo ambasady amerikana any amin’ireo firenena nosy ao amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe indianina … Mampirisika ireo firenena hafa ao amin’ny faritra izahay mba hiditra ao amin’ny FiTI ihany koa mba ho lasa mpitarika manerantany amin’ny fametrahana fiaraha-miasa sy fandrindram-piarahamiasa momba ny politikan’ny jono bebe kokoa ireo firenena aty amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina.”



