Sosialy

Radio Oasis Faratsiho – Itasy: Fiofanana mankamin’ny fiaingana vaovao

Faratsiho, faha 22 Febroary 2024 – “Mila manaraka toromarika ny mpiasan’ny Radio” hoy ny Tale ny Radio Oasis Foibe, pastora Ratovoarisoa David Olivier raha nanokatra ny fiofanana ho an’ireo mpiasa tao Faratsiho izy.


Jesosy sy ny Fanahy Masina no antsoina hoe Mpanolotsaina araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Fomba fiasan’Andriamanitra ny fanomezana toromarika ny vahoakany. Nisongadina izany fony Andriamanitra nibaiko an’I Noa tamin’ny fanamboarana ny sambo fiara, ny fanomezany ny modely narahan’I Mosesy raha nanorina ny tabernakely. Ireo no santionan’ny ohatra netin’ny pastora Tovo nanombohana ny fiofanana. Notsiahiviny tamin’izany fa “tsy misy olona tonga dia mahay avy hatrany eto ambonin’ny tany. Misy mpampianatra, misy ny mpanome torolalana. Izay ny anton’ny fiofanana omena antsika. Fanomezana tari-dalana hampahomby ny asa ataontsika aty. Tanjona hoy ny fanazavana ny mba “Hisandratra avo ny voninahitr’Andriamanitra, ka ho vitantsika ny asantsika ato amin’ny radio.” Hoy ny pastora namarana ny anjara fitenenany.

MITOMBO NY FAHARISIHANA

Hampitombo ny faharisihan’ny mpiasa ny fanofanana natao teto Faratsiho”, hoy ny Tale ny Radio Oasis ho an’ny faritra Itasy, ny pastora Rasoanandrianina Mirado Elie. Fanamafisana ny lafiny fanentanana amin’ny onjam-peo, fizarana toromarika amin’ny famokarana fandaharana, fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety ary dinidinika mikasika ny lafiny teknika no nisongadina ny 22 sy ny 23 Febroary 2024. Nizara traikefa ireo tompon’andraikitry ny sampanasa avy ao amin’ny Radio Oasis Foibe, Cathy Razafiharison, Volahery Setraniaina ary Vonona Rakotondratsimba. Feno ny fandaharam-potoana nandritra ireo roa andro ireo. Nomena valiny ireo fanontaniana nanitikitika ny mpiofana. Tapaka ary fa hamafisina ny fanoloranten’ireo mpiasa ho fanatrarana ny tanjona dia ny fitoriana ny vaovao mahafaly sy ny fizarana ireo zava-mahasoa sy mahaliana ny mpihaino ny Radio Oasis. Nampiavaka ny fiofanana ny fanaovana fampiharana mivantana, na ny sehatry ny fanentanana na ny fomba fakana sy fikirakirana ny vaovao.

Nitohy ny Sabotsy faha 24 Febroary ny fiofanana ka ireo solotenan’ny fiangonana manodidina an’I Faratsiho no nisitraka izany. Tao amin’ny fiangonana no natao ny fanofanana rehetra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page