Toekarena

Nitombo ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara

Nitombo 5 ka hatramin’ny 6 avo heny ny tahan’ny mpizahatany anatiny eto Madagasikara teo anelanelan’ny 2020 sy ny 2023. 12 000 ny isan’izany tany aloha ary tafiakatra 63 000 ankehitriny. Midika izany fa miroborobo ny fizahantany anatiny, hoy ny tale jeneralin’ny Fizahantany, Andriamanohera Tsitohaina.

 

Tosika ho an’ny fanaovana sy fikarakarana ireo karazana hetsika natokana ho an’ny Fizahantany toy ny Tsenaben’ny Fizahantany, izay hetsika natomboka tamin’ny vanim-potoan’ny fihibohana noho ny valanaretina Covid-19.

Noho izany indrindra no mbola nanohizana  sy hanohizana hatrany ny fanaovana ireo karazana hetsika mampiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara. Miditra amin’ny andiany faha-7 ny mpikarakara ny Tsenaben’ny Fizahantany amin’ny 15 ka hatramin’ny 17 martsa izao, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina.

 

Ankoatra ity hetsika ity, mitohy koa ny fanomezana vahana ny fizahantany anatiny amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo karazana tolotra ataon’ny mpisehatra eo amin’izany na eto an-drenivohitra na manerina ny faritra eto Madagasikara

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page