Mankalaza ny andro erantany ho an’ny Volobe I Madagasikara

Antananarivo, faha 18 Septambra 2024 – Nomarihana tetsy amin’ny Soanala Ambatobe ny fankalazana ofisialy. “Seha-pihariana volobe mahomby sy tontolo iainana mirindra ho fampandrosoana lovainjafy” io no lohahevitra ho an’ity taona ity.
Fanentanana sy fampahafantarana ireo karazana tombontsoa sy seha-pihariana avy amin’ny volobe no natao. Nitarika ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Max Andonirina FONTAINE. Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanolorana ny “certificat” ho an’ireo nanaraka ny fampiofanana mahakasika ny fambolena volobe sy ny fikarakarana azy izay nahitana ny mpianatry ny CNFTF Angavokely na ivon-toerana fanofanana teknisianin’ny ala ary ireo fikambanana mpisehatra amin’ny volobe. Ezahana ny hampiroboroboana ity seha-pihariana ity hoy Andriamatoa Minisitra satria dia isan’ny vahaolana ho fiarovana ny ala ny volobe. Haingam-pitsiry ny volobe ary afaka ampiasaina naovana arina fandrehitra, anaovana trano fonenana sy anamboarana fitaovana ampiasaina andavanadro sy anaovana asatanana. Tafiditra indrindra amin’ny fampiroboroboana ity seha-pihariana volobe ity ny fampiofanana nandritra ny 3 andro izay notanterahina teny amin’ny CNFTF Angavokely.



