Fahasalamana

Fihaonamben’ny mpanao gazety afrikanina momba ny MTN

4è Forum des médias africains à Cotonou

Antananarivo, faha 25 Novambra 2025 – Nosokafana tamin’ny fomba ofisaly ny fihaonambe fahefatra eo amin’ireo mpnao gazety afrikanina mivoy ny fahasalamana. Nampitaina tamin’ny alalan’ny aterineto ity fanokafana ofisialy ity.

Aretina mahamenatra, tsy voajery ary tsy voaresaka matetika ny Maladie Tropicale Négligées na MTN. Ho an’i Madagasikara manokana, karazany 04 no mbola misy ka isan’ireny ny filariose na ny ongobe, raha ny tatitra voaray. Nilaza ny Pr Awa Marie COLL-SECK, filoha ny Galien Africa fa maherin’ny 600 tapitrisa ny afrikanina tratran’ireo karazana aretina ireo. Maro ireo jamba, simba ny endriny, lasa nalemy sy tsy afa-mandeha hany ka lasa marefo sy voailika eo anivon’ny fiaraha-monina. Azo atao anefa ny misoroka, mitsabo ary indrindra ny fanafoanana ireo karazana aretina ireo.

Manana andraikitra ny mpanao gazety amin’ny fampitana vaovao, ny fanentanana sy ny fampitana ireo adisiska ahafahana mamongotra ireo karazana aretina tropikaly tsy voajery ireo, hoy ny filohan’ny tambazotra REMAPSEN, Bamba Youssouf, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe andiany fahefatra. Lohahevitra noraisina ny hoe « de la negligence a la mise en lumière : Faire avancer l’agenda africain pour l’élimination des MTN. » na raha hadika malalaka  « Avy amin’ny tsy firaharahiana mankany amin’ny fampahafantarana mazava : Irosoana ny fandaharam-potoana Afrikana amin’ny fanafoanana ny MTN ». Nampahafantarina fa ho tanterahana any Cotonou – Bénin ny 29 sy 30 Janoary 2026 ny fihaonambe mivantana fahefatra na 4è Forum des médias africains handinihana ny andraikitry ny haino vaky jery manoloana ny famongorana ireo karazan’aretina sokajiana ho MTN ireo.

An-tapitrisany ny mararin’ireo MTN eto afrika. Maro ireo tratry ny Onchocercose, izay miteraka hidihidy mafy ho an’ireo voany. Misy koa ny aretina toy ny « cécité des rivières ». Ny ankizy kosa no maro tratran’ny « schistosomiase », ny « filariose lymphatique », izay miteraka kilema ara-batana sy fanilikilihana ho an’ireo marary. Miaritra fanaintainana mafy koa, hoy ireo manampahaizana ny aretina « dracunculose ».

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page